airtel

Politique

23-juin-2021

Politique

Jean Louis Rakotoamboa « Mbola betsaka ny babakotom-bazaha eto »

Sample post image

Miisa 5 ireo nosy an’ny Malagasy manodidina an’I Madagasikara, averiko ihany, hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa,

23-juin-2021

 raha ny tantara sy lalana iraisam-pirenena no jerena. Ao Bassas Da India, Europa, Juan De Nova, Iles glorieuses, Tromelin. Ity farany moa somary atsinanana avarantsika. Nasintaky ny frantsay tsy ho ao anaty Madagasikara ireo tamin’ny nanomezany ny fahaleovantena, hoy hatrany izy. Ny taona 1970 tany ho any no efa nanomboka niady ireo nosy ireo isika. Nentina teo amin’ny ONU ny resaka ary nahazo ny fankatoavan’izao tontolo izao fa antsika ireo. Efa nanome baiko ny firenena mikambana hoe ataovy ny dingana rehetra hamerenana an’ireo amin’I Madagasikara. Narirariran’ny frantsay hatrany moa dia rehefa tena tsy nisy ny hevitra dia hoe aleo hametraka Babakoto na saribakoly ao Madagasikara isika dia io fitondrana io no hanao sonia ny fiaraha-mitantana amin’ny frantsay ireo nosy ireo. Juan De Nova izay eo anelanelan’I Mozambika, Tanzanie ary Madagasikara no antony. Toeram-panovozana solitany goavana vaovao na hoe “nouveau champ pétrolier” io. Be lavitra noho ny tamin’ireny hitan’ny anglisy tany amin’ny « Mer du Nord » ireny. Manodidina io sinin-tsolitany na « bassin pétrolier » io izao ny an’i Mozambika, efa hitantsika io, Gabo Delgado, misy any amin’ny 425 miliara m3 ny « gaz naturel » ao aminy. Efa saika ho trandrahan’ny mozambikanina ilay izy. Ny Total no hoe saika hitrandraka azy saingy noho ilay korotandrotan’ny Djihad Islamika dia somary najanon-drizareo ilay fitrandrahana. Taty amin’ny sisiny atsinanan’io siny io dia hitanareo i Bemolanga, Tsimiroro, Sakaraha. Ity farany misy « gaz naturel » koa izay 20 miliara m3 hitan’ny Sinoa. Io solika be ao Juan de Nova io, izay eo anivon’izany rehetra izany no tena mahatonga ny frantsay hiziriziry. Antony naha voahongana an’I Marc Ravalomanana io ary nifanarahan’Ingahy Rajoelina izay nanongam-panjakana tamin’ny frantsay ny fiaraha-mitantana, araka ny voalazany tao amin’ny France 24. Tsy maintsy ataontsika izay hahavitan’ny fifanarahana mialohan’ny 26 jona, hoy Andry Rajoelina, saingy asa izay nampidedaka azy fa tsy voatana ny vavany dia nahateny tsy fidiny hoe averina amintsika ireo nosy ireo. Tsy faly ny frantsay dia nahatonga ireny “Ici c’est la France” sy ny tohiny ireny. Tokony ho sahy hiteny ny gasy izao hoe avereno haingana aminay ireo nosy ireo saingy mbola betsaka ny babakotom-bazaha eto izay matahotra hoe raha tonga eo amin’ny fitondrana dia ho ataon’ny frantsay mamay, hoy hatrany izy.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Ny sabotsy 13 aprily teo tetsy amin’ny Espace Fenitra Merimanjaka no nitondrana am-bavaka sy nanolorana ofisialy

Card image cap
15-avril-2024

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Olympia Ampitatafika ny sabotsy

Card image cap
15-avril-2024

Araka ny efa nampoizina, nilatsaka ambany dia ambany ny isan’ireo kandida mirotsaka hofidiana ho

Card image cap
15-avril-2024

Dosiem-pifidianana isan’ny miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny an-dRtoa Voahirana Rajoelina.

Card image cap
15-avril-2024

Tontosa ny faran’ny herinandro teo teny amin'ny Kaominina Ambohitrabiby ny fivoriana fanao

Card image cap
15-avril-2024

Voatolotra ho an'ny vahoakan'i Miadanandriana ny sabotsy lasa teo ireo solosaina ho fampitaovana

Card image cap