airtel

Politique

04-déc-2020

Politique

Jean Louis Rakotoamboa-Teza “Efa noporofoin’i Sarkozy fa olon’ny F\rantsay i Rajoelina”

Sample post image

Raha jerena ankapobeny izany ny tetibolam-panjakana ho ampiasaina dia

04-déc-2020

 

 

 

nampitomboina ny tetibolan’ny fiadidiana ny filoham-pirenena ary nahena ny an’ireo minisitera sasantsasany izay iankinan’ny fiainam-pirenena, hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa. Aty amin’ny faraparany vao naiditra ho dinihin’ny parlemantera. Ny antoko Teza manokana dia tsy gaga satria tadidio fa tamin’ny taon-dasa koa nisy ilay natao tamin’ny alalan’ny hitsivolana avy amin’ny filoham-pirenena ny tetibolam-panjakana satria koa tsy lany. Mety amin’i Andry Rajoelina izany. Ao anatin’ilay izy dia be no lany eto amin’ny firenena nefa kely ny vola miditra dia voatery tsy maintsy misy foana fomba mahazatra mandeha hitantanana azy. Misy elanelana be ny ataon’ny filoham-pirenena sy ny enti-manana. Be ny tiana atao nefa tsy ampy ny enti-manana dia lasa kobaka am-bava ilay izy. Miami, Tanamasoandro, Flyover, sy ny hafa izao aiza daholo? Mikasika ny nosy manodidina izao efa vita tany amin’ny firenena mikambana ny taona 1979 ny adihevitra mifanaraka amin’ny lalana momba azy. Efa resy ny frantsay tamin’izany. Nanome baiko ny ONU hoe alefaso ny dingana hamerenana ireo amin’ny Malagasy. Io izany no tokony atao izao. Nilaza i Andry Rajoelina tany am-boalohany hoe na famerenana tanteraka na fiaraha-mitantana no atao. Niteny indray izy taorian’izay hoe famerenana tanteraka. Nandeha ny fanelezana ny hoe alohan’ny 26 jona isika manao fety mikasika izay famerenana izay. 14 oktobra avy eo. Tsy hita hatramin’izao. Ny tokony ataon’ny fitondrana izao dia mamerana manoratra any amin’ny frantsay ny fampatsiahivana io baikon’ny ONU io sy ny fomba hamerenana ireo nosy ireo. Rehefa tsy manaiky ny frantsay dia manoratra any amin’ny ONU, SADC, OUA hoe miziriziry ny Frantsay. Hiboridana eo imason’izao tontolo izao izy fa mbola manana lohana mpanjanaka dia amin’izay miara-manampy antsika izao tontolo izao. Tsy hanao izany anefa ny fitondrana satria efa noporofoin’i Sarkozy fa olon’ny Frantsay i Rajoelina. Io filoham-pirenena frantsay io no isan’ny tonga teto voalohany vao lany ho filoham-pirenena i Andry Rajoelina, hoy hatrany ny Teza.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Nidina ifotony nanaramaso ny lisipifidianana teny amin’ny fokontany Andafiavaratra

Card image cap
27-mars-2024

Mbola tena marefo ny fiainan’ny antoko politika eto Madagasikara hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro,

Card image cap
27-mars-2024

Tsy mametram-panontaniana ve isika, hoy i Raobelina Andry avy ao amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy hoe :

Card image cap
27-mars-2024

Sarotra ny hananana fanantenana fa hiova hahomby izao fitondrana misy izao.

Card image cap
27-mars-2024

Vaovao politika nalaza tao anatin’ny 48ora farany ny fanambarana politika

Card image cap
27-mars-2024

Nisy ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataona parlemantera vitsivitsy,

Card image cap