airtel

Politique

25-févr-2021

Politique

Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa “Fiarovana an-dRavalomanana no ataonay”

Sample post image

Fisorohana ny mety hisian’ny korontana no antony nametrahana Mpitandro

25-févr-2021

 

 

 

filaminana eny amin’ny trano fonenan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, raha ny nambaran’ny Kaomandinin’ny zandarimariam-pirenena Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa omaly. “Ny fivezivezen’ny mpitandro filaminana eto Antananarivo, dia ao anatin’ny asa fisorohana daholo. “Raha ny eny amin’ny tranon’ny Filoha indrindra ny Filoha teo aloha dia ao anatin’ny fitandroana filaminana sy fisorohana. Tsy hitako izay antony hilazana hoe hesory eo ireo. Mendrika arahi-maso ihany koa sao misy zavatra mitranga satria ho avy indray ny fanasoketana hoe iza no ao ambadika? Aleo asiana olona eny amin’izay mba voaaro kokoa ny fitandroana ny filaminana eny, ary misy minisitera rahateo eny”, hoy io Manamboninahitra io. Niova izany ny fomba fitandroana filaminana satria hatramin’izay tsy nisy tahaka izao ny teny Faravohitra, saingy noraisina io fepetra io rehefa niha nafana sy nangotraka ny toe-draharaha politika teto amin’ny firenena.

Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap