airtel

Politique

04-août-2021

Politique

Jeneraly Ramakavelo “Mety misy tsy fahafaliana ao amin’ny Foloalindahy ao”

Sample post image

Tao amin’ny fahitalavitra Real TV Madagascar no nanehoan’ny jeneraly Ramakavelo Désiré omaly, fa mety misy tsy fahafaliana ao anatin’ny Foloalindahy ka tsy tokony hamaivanina.

04-août-2021

 Aprily 2021 no nanomboka nisy ny fanaraha-maso teny anivon’ny foloalindahy taorian’ny tranga famonoana ny filoha Idriss Deby tany Tchad. Zandary sy miaramila am-perinasa rahateo ny 12 amin’ireo voarohirohy ho nikasa hamono ny Filoha ho an’ny teto amintsika. Matoa misy ny trangan-javatra toa izao dia efa misy ny lonilony, tsy fahafaliana , tsy fahafaham-po any amin’ny filoalindahy, tsy misy hoe zavatra mipoitra tampoka hoe hanao fihetsiketsehana izany fotsiny, hoy io Jeneraly misotro ronono sady efa minisitry ny fiarovam-pirenena teo aloha io. Fa. Na dia miezaka aza ny fitondram-panjakana hamaly ny filana dia misy ihany ny mety tsy fahafaliana ka tokony hanontaniana ireo olona tsy faly, hoy ity manamboninahitra ity. Mety olona ivelan’ny tafika ihany koa no mikitikitika, ary mety ho hery avy any ivelany mihitsy. Tsy fomba fisainan’ny miaramila Malagasy ny fanonganam-panjakana, raha ara-tantara sa ve efa niova noho ny zava misy? hoy ny jeneraly Ramakavelo. Nambaran’ity manamboninahitra efa misotro ronono ity, fa tokony mba mitsara tena ny fitondram-panajakana, tokony handinin-tena ny filoha, amin’izoa zavamisy izao. Samy manana ny fomba fijeriny sy ny fieritreretany rahateo, tsy voatery hitovy na oviana na oviana ny fomba fijerin’ny mpitondra sy ny entina, raha ny fanehoan-kevitry ny Jeneraly Ramakavelo Désiré, saingy tsy maintsy karohana ny vahaolana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap