airtel

Politique

09-mars-2021

Politique

Jeneraly Ravalomanana Richard Misetrasetra tsy mifidy vava havoaka

Sample post image

Raha mangingina ny ankamaroan’ny mpikambana sasany ao anatin’ny governemanta,

09-mars-2021

 

 

dia tsikaritra ho misetrasetra ara-pitenenena kosa ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria na ny SEG Atoa Jeneraly Ravalomanana Richard. Nahery fiteny sy in-droa izay no nilazany, fa “dondrona” izay olona miteny fa mbola misy trondro vaventy any anaty Fanjakana momba ilay trafikana volamena 73,5kg. Izay maneho sy mihevitra fa mbola misy trondro vaventy tsy voakitika mety ho any anaty Fanjakana, dia “dondrona” saingy hatreto tsy misy vaovao ofisialy avy amin’ny Fanjakana hoe: an’iza marina ary ilay volamena? Iza amin’ireo olona efa nosamborina sy nogadrain’ny mpitondra no tompony satria izy ireo no tapi-pahaizana fa ny hafa izay miteny ka tsy mifanaraka amin’ny ambarany dia dondrona? Tsara etsy andaniny no mampahatsiahy, fa isan’ny nitondra fanakianana mivaivay miantefa amin’ny SEG ny Antoko PSD tarihin-dRtoa Eliana Bezaza ny 05 febroary naneho fa henatra ho an’ny zandarimaria ny hoe: manao fanadihadiana, saingy ny mpanao gazety vahiny indray no mahafantatra sy mamoaka ny marina. Ny famoahana dosie nataon’ilay mpanao gazety Gael Bourgia io. Teo ny fametraham-panontaniana momba ny fahombiazan’ny fanadihadiana, fa teo ihany koa ny tsy fahafehezana ny olona eo ambany fiadidiany izay nisy voasaringotra tamin’ny raharaha, raha ny fanambaran’ny Antoko PSD. Tokony hametra-pialana ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, hoy io antoko tarihin’I Eliana Bezaza. Ankoatra io, niantso ny hamoahan’ity Jeneraly ity ny porofo tamin’ny nilazany fa nisy fizarana vola 5000Ar ho an’ny olona ho avy hanatrika ny famoriam-bahoaka. Tsy mitsitsy vava havoaka toa miteraka fanafintohinana ho an’ny hafa ity manamboninahitra ity tato ho ato raha mipiripirina ny namany. Asa mahasoa ny fitondrana arovany ve izany sa vao mainka hanaratsy endrika sy hampitombo ny fahasosoran’ny olona?

Toky R

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Anio 16 aprily 2024 no hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na

Card image cap
16-avril-2024

Isan’ireo antoko nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika Otrikafo

Card image cap
16-avril-2024

Mbola misy ny antsojay amin’ireo tsy ao anatin’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana

Card image cap
16-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitetezana ireo kaominina mandrafitra ny distrikan’Avaradrano tanterahin’ireo Kandida Solombavambahoaka

Card image cap
15-avril-2024

Ny sabotsy 13 aprily teo tetsy amin’ny Espace Fenitra Merimanjaka no nitondrana am-bavaka sy nanolorana ofisialy

Card image cap
15-avril-2024

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Olympia Ampitatafika ny sabotsy

Card image cap