airtel

Politique

25-oct-2021

Politique

Jeneraly Ravelonarivo Tafatsoaka tany Mayotte, efa any Suisse,…

Sample post image

Nitsoaka antsokosoko nandeha sambokely haingam-pandeha na “vedette rapide” nakany Mayotte, ary lasa nihazo an'i Paris sy Suisse ny Jeneraly Jean Ravelonarivo,

25-oct-2021

 Praiministra teo aloha, araka ny vaovao navoakan'ny fampahalalam-baovao Mayotte 1ère. Ny sabotsy 16 oktobra lasa teo no nigadona tao Mayotte tamin'ny alalan'ireny sambokely Kwassa ireny ity Praiminisitra teo aloha tamin'ny fitondran’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina ity. Niainga tao Nosy Be ity sambo aingam-pandeha nitondra azy ity ary nipetraka tao amin'ny Hotely "Le Maharaja" Mayotte izy rehefa tonga. 340 km no elanelana misy eo amin'ny Nosy Be sy Mayotte. Tsy vao izao no nandrenesana fivoahana an-dranomasina miainga avy eto Madagasikara makany amin’io Nosy io. Mbola tsy ampy iray volana izay no nahatrarana Malagasy 43 niondrana an-tsokosoko, ary talohan’izay aza dia efa nisy manodidina ny 50. Raha ny nambaran'ny Mayotte la 1ère ihany dia manana "visa" hahafahana miantrano mandritra ny 3 taona ny tenany izay natao teto Madagasikara ihany. Niala tao Mayotte alina izy ary efa nigadona ao Parisy, ka mety hipetraka any Suisse araka ny nambarany ny Mayotte la 1ère ihany. Raha tsiahivina, Praiminisitra nanomboka ny taona 2015 sy 2016 ny tenany, nisy ny didim-pitsarana mikasika azy ny 27 Septambra 2021 teo noho ny fanodikodinam-bola mihoapampana mitentina an-tapitrisa Euros nisy tao amin'ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale). Voaheloka 5 taona an-trano maizina sazy mihatra ny tenany, ary handoa onitra sy lamandy mitentina 6 lavitrisa Ariary. Voaheloka ho mpiray tsikombakomba tamin'ny fanodikodinam-bola tao amin'ny CNAPS nandritra ny fotoana naha Praiministra azy tamin'ny fitondran'i Hery Rajaonarimampianina niaraka tamin'ny Tale Jeneralin’ny CNaPS teo aloha Atoa Arizaka Raoul Rabekoto. Ity farany, izay efa ela no niala an’I Madagasikara vao nangotraka ny fanenjehan’ny Fanjakana Rajoelina azy. Tafavoaka ny firenena ihany na efa namoahana didy tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tanin’I Madagasikara. Lasa nanara-dia azy ihany koa izany ny Praiminisitra teo aloha, izay voalaza fa manao sesin-tany ny tenany any Suisse.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap