airtel

Politique

17-nov-2021

Politique

Jerry Rakotoarijaona “Ilaina ny fampihavanana ny Malagasy amin’ny tantarany”

Sample post image

Don-tandroka ireny an’ny mpanohitra teny amin’ny Carlton Anosy ny sabotsy teo ireny, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaonina,

17-nov-2021

 entina hanehoana hoe afaka miaraka sy mivondrona izahay enti-manohitra an’io fanjakana io fa ho avy ny taona 2022 izay hiampitantsika any amin’ny taom-pifidianana 2023. Tsy azo inoana hoe mbola hiaraka ireo satria I Roland Ratsiraka mbola hieritreritra ny ho filoham-pirenena, hoy izy. Tsy maintsy hirotsaka koa ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana. Samy hamonjy ny olona ho tohanany avy koa ireo mpanao politika mivondrona ao amin’ny Panorama. Efa nanatsidika I Roland Ratsiraka fa raha tsy biometrika ny lisi-pifidianana dia aleo tsy hisy fifidianana. Efa mitodika any amin’ny resaka fifidianana, noho izany, amin’izao fotoana izao ny resaka fanoherana. Ny fampihavanana ilaina dia ny fampihavanana ny Malagasy amin’ny tantarany. Ireny nosoratan’ny vahiny ireny ve no tena tantarantsika? Mila Malagasy afaka mitratranga izany dia miverina an-doharano isika. Ny olantsika dia tsy voasoratra ny tantarantsika. Ny frantsay sy ny taranany izay mpanjanaka no nanoratra azy dia nataony amin’izay mety aminy. Mila trandrahana hoe inona marina no tena tantarantsika, ny fombantsika, iza marina ity Madagasikara ity? Milamina ny rehetra rehefa tanteraka izay fa ny mpanao politika afaka mihavana ho azy, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap