airtel

Politique

10-juin-2022

Politique

Joseph Yoland “Mila ovaina ny raikipohy teren’ny mpanjanaka ampiharina eto”

Sample post image

Efa nanao ilay hoe “Refondation du système pour le réel développement de Madagascar” ny tenako fony mbola CST, hoy ny mpanao politika, Joseph Yoland.

10-juin-2022

Nojerena araka izany, hoy izy, hoe inona no raikipohy hahafahana mampandroso marina ity firenena ity. Firenena nozanahana ity dia mila jerena izay. Tsy resaka fahaleovantena ara-tsakafo ihany na fanarenana ny lisipifidianana. Ireo harenantsika ireo tsy tokony alefa mivoaboaka any ivelany. Alefa mandehandeha fahatany any hatramin’izay ka hatramin’izao anefa ny volamena. Nanafatra mpampianatra avy amina oniversite maro ho tonga teto ny tena tamin’izany. Nisy ny fehinkevitra nivoaka tamin’izany izay nosoniavin’ireo mpikamban’ny CST miisa 135 amin’ny 150 tamin’izany. Tsy nanatrika fotsiny no antony tsy nahazoana ny sonian’ireo 15 ambiny. Mila ovaina ny raikipohy teren’ny mpanjanaka ampiharina eto. Izany fikaonandoham-pirenena izany dia tokony hakana ny hevitry ny olom-pirenena rehetra, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Ny sabotsy 13 aprily teo tetsy amin’ny Espace Fenitra Merimanjaka no nitondrana am-bavaka sy nanolorana ofisialy

Card image cap
15-avril-2024

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Olympia Ampitatafika ny sabotsy

Card image cap
15-avril-2024

Araka ny efa nampoizina, nilatsaka ambany dia ambany ny isan’ireo kandida mirotsaka hofidiana ho

Card image cap
15-avril-2024

Dosiem-pifidianana isan’ny miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny an-dRtoa Voahirana Rajoelina.

Card image cap
15-avril-2024

Tontosa ny faran’ny herinandro teo teny amin'ny Kaominina Ambohitrabiby ny fivoriana fanao

Card image cap
15-avril-2024

Voatolotra ho an'ny vahoakan'i Miadanandriana ny sabotsy lasa teo ireo solosaina ho fampitaovana

Card image cap