airtel

Politique

24-août-2022

Politique

Joseph Yoland “Tsy maintsy hanaiky fikaonandoha ny fitondrana”

Sample post image

Efa be ny vola nampindramin’ny vondrona eoropeanina antsika ka lojika izy raha hanery ny fitondrana malagasy ankehitriny, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha, Joseph Yoland.

24-août-2022

Tsy voaloa anefa ilay vola, hoy izy. Miantso foana ny amin’ny tokony handaminana ny raharaha eto Madagasikara fa ny fitondrana no tsy mety hatreto aloha. Ny fiheverako azy dia tsy maintsy hanaiky io fikaonandoha io ny fitondrana. Ny voalazan’ny FFKM dia hoe tsy nisy fehinkevitra nampiharina mihitsy teto hatramin’izay. Izay tsy fampiharana ny lazaina izay no mahatonga ny firenena tsy mandroso. Tokony tarihin’ny FFKM ny fikaonandoha satria tsy mila olona miandany io. Raiamandreny ny FFKM. Ny tena tianay asongadina dia hoe tsy nety nandroso tao anatin’ny 60 taona I Madagasikara satria mila fanorenana ny rafitra itantanana azy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap