Raha ny lojika politika mpiseho amina firenena mandroso na miroso any amin’ny fampandrosoana dia tsy fotoanan’ny fampanantenana intsony izany herintaona mahery kely tsy hifaranan’ny taom-piasana izany. Tokony efa famaraparanana ny tetikasa nampanantenaina ho vitaina ao anatin’ilay fotoam-piasana aza. Ny hita tao anatin’ny 3 taona mahery anefa fampanantenana mitombo hatrany ary nampametra-panontaniana aza hoe mbola ao anatin’ilay IEM ve, ohatra, izany teleferika sy colisée izany? Inona ihany no tetikasa na programa ho ampiharina? IEM sa PEM sa PGE sa Plan Marshall sa velirano sa inona? Ahoana ihany ny mikasika ny Tanamasoandro sy ny Miami nefa inoana fa ho avy indray ny fampanantenana vaovao izao ity? Azo eritreretina ihany koa ny mety ho fitanisana ireo ambara fa zava-bita sy filazana ireo anton-javatra hanilihana ny rihitra sy ny tsy fahombiazana samihafa. Andrasana toy ny mahazatra indray aloha ny kabary faran’ny taona ho an’ity 2021 ity.
J. Mirija
Manahiran-tsaina tanteraka sy tena mampanofy ratsy ny Fanjakana ankehitriny Atoa Marc Ravalomanana, izay atahorana mafy ara-politika. Arakaraka ny hihetraketrahana azy no toa vao mainka mampahazo vahana azy.
Mangingina tsy re feo firy indray ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta Ntsay Christian. Tsy dia hita tabilao firy, ary efa matetika io.
Nivoaka omaly ny gazety boky Demokrasia laharana faha 13 izay famoakan’ny filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy tany tan-dalana na HCDDED isan-telo volana.
Isany voaresaka ato amin’ny laharana faha 13 amin’ny gazety boky Demokrasia izay navoakanay, hoy ny filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalana na HCDDED tetsy amin’ny biraon’izy ireo
Mampahatsiahy ny 20 taona dia ny 2002 izay fotoana nampamaivay ny raharaham-pirenena teto amin’ny tany sy ny fanjakana ankehitriny, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana Tambohobe,
Herintaona sy tapany sisa hananan’ny Fitondrana Rajoelina hanatanterahany ny veliranony, hanentsenana ny lavaky ny tsy fahaiza-mitantana. Ho sarotra izany, raha tarafina amin’ny fomba fiasa hatramin’izay.