airtel

Politique

03-mai-2024

Kandida Toavina Ralambomahay

« Mangaraharaha, tsipaipaikam-bahoaka fa tsy hividy vahoaka !»

Sample post image

Mandeha ny fanamarihana fa hatramin'ny 1991 dia ny kandidà Toavina Ralambomahay ao

03-mai-2024

Antananarivo I sy ny Antoko humaniste et écologiste misy azy no nanao an'io voalohany. Ankehitriny dia manao ihany koa ny RCR, ny APM, Gascar fa mbola vitsy laotra. Fomba fanao politika mangarahara io, hoy ny fanamarihana. Tsy mizara vola, tsy mividy malagasy ambongadiny tsy tahotra tsy henatra fa latsak'emboka indray azy no ataon'ireo olona na Malagasy na vahiny. Nahazo 100€ na 452.000Ar ny antoko ka 1.563.000ar miampy 94€ ny totalin’ny voaangona ary mbola mitohy, hoy ny fanazavana. Manainga ny antoko miisa 6 manohana ny kandidà N.6 ihany koa izy ireo dia ny MMM, ny MTS, ny FTT, ny FMI malagasy, ary mazava ho azy ny humaniste et écologiste, mba hanamafy ny fifanomezan-tanana. Efa manana 23tapitrisa Ar miampy 252€ ny humaniste any amin’ny banky hanaovana fifidianana ben’ny tanana, ary naangona 10.040.000ar nandoavana « caution ». Ny kolektifa malagasy, indrindra ny ARB moa no nameno azy. Maro ihany koa ny fiarahamonimpirenena tahaka ny transparency international, ny Friedrich Ebert sy ny « charte de bonne conduite » midradradradra mitady antoko mangarahara, ka anehoan’izy ireo fa fitaratra izy. Tsara ry zareo ireny raha mitanisa ireo madio fa tsy variana manenjika ireo antoko maloto satria manjary ao amina boribory vetaveta (cercle vicieux) fa tsy amin'ny madio na « cercle vertueux », hoy ny Hummaniste écologiste. Manjary ireo maloto foana no mandresy ka mitondra fanjakana hatramin'ny 2029 ka tsy handresy mihitsy ny madio raha ny maloto foana no resahin-dry zareo. Asa re maninona no tsy mba resahina itony antoko mangarahara itony ? hoy hatrany ny fanamarihana. Naneho kosa Atoa Rakotoarisoa Dimbiniaina izay « mandataire » na solontenan’ny kandida Toavina Ralambomahay, fa tanjona ihany koa ny haka ny toeran’ny mpanohitra eo anivon’ny Antenimierampirenena satria satria fotoana izao hivoahan’ny feo fahafatelo haka ny toeran’ny lehiben’ny mpanohitra satria efa teo foana ireo antoko ambara fa lehibe mifandramatra na teo anivon’ny kaominina Antananarivo na tamin’ny hetsika ny taona 2018, saingy tsy navoaka mihitsy ny satan’ny mpanohitra, handrindra ny hetsika rehetra aty amin’ny fanoherana, toy ny hoe : mety hanolotra volavolana lalàmpanorenana ny Lehiben’ny mpanohitra satria ao ny mieritreritra fa tsy mety ny « Etat unitaire » fa miverina amin’ny Faritany mizaka tena, ao ny miteny fa tokony hiverina amin’ny faha-panjaka, ao ny miteny fa tsy tokony hirosoana ny fifidianana fa mila mifandinika,… ka mandrindra ireny ny Lehiben’ny mpanohitra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap