airtel

Politique

07-juin-2024

Kandida voatory eny amin’ny HCC

Manana 48ora hiarovan-tena

Sample post image

Mafampana ny raharaham-pifidianana, betsaka ny fitoriana tonga eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC.

07-juin-2024

Any amin’io rafitra io no mety hampilamina na hampikorontana ny toe-draharaham-pirenena. Betsaka ny ahiahy eo anatrehan’ny efa firesaka sy fahasahian’ny kandidam-panjakana toa maneho fa mahatoky ny HCC hanome rariny azy mba hanasazy ny kandida maharesy, ka hitsimbadihan’ny vokatra. Eo anatrehan’ireo raharaham-pitoriana samihafa, namoaka fanambarana ny HCC ka nilaza fa mba ho fanajàna ny zon’ny mpilatsaka hofidiana ho solombavam-bahoaka hitondra ny fehin-teny manoloana ny fitoriana izay misy, dia napetraka ny fandaminana. Ankoatran’ny fandefasana ny dika mitovy amin’ny fitoriana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy, niantso ireo kandidà mahaleo tena na ny solon-tenany mba hampahafantatra sy haka ny dika mitovy amin’ny fitoriana ao amin’ny foiben-toerany Ambohidahy ny eo anivon’ny Firaketan-draharahan’ny HCC. Ny fitoriana mahakasika ireo kandidà atolotry ny antoko na vondrona politika dia alefa any amin’ny adiresy misy ny foiben-toeran’izy ireo. Ireo tsy tratra antso dia ampahafantarina amin’ny alalan’ny filazàna izay hita ao amin’ny tranokalam-pifandraisan’ny Fitsaràna Avo momba ny Lalampanorenana www.hcc.gov.mg na ny pejy facebook Haute Cour Constitutionnelle Madagascar na peta-drindrina eto amin’ny foiben-toeran’ny andrim-panjakàna. Nomarihina fa araka ny voalazan’ny andininy faha-50 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha-2018-010 tamin’ny 11 may 2018 mikasika ny fifidianana solombavambahoaka eo anivon’ny Antenimierampirenena dia omena 48 ora, manomboka ny fotoana nandraisany na nampahafantarana azy ny fitoriana ireo kandidà voakasika mba hanome ny fehin-teny fiarovana. Nampahatsiahivina ny rehetra ihany koa fa 16 andro fara-fahaelany aorian’ny fivoahan’ny vokatra vonjimaika no mamoaka ny vokatra ofisialy ny Fitsaràna Avo momba ny Lalampanorenana. Any amin’ny HCC ny baolina, ka dia andrasana izay hafitsony !
Toky R

 

 


 

Dans la même rubrique

17-janv-2025

Hivoaka anio 17 janoary amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Tribunal Admnisitratif Anosy

Card image cap
17-janv-2025

Efa anaty krizy izao i Madagasikara, hoy ny mpanao politika sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina.

Card image cap
17-janv-2025

Manomboka miverina sy mifoha ny resaka fitakiana ny famoahana ireo gadra politika amin’izao

Card image cap
17-janv-2025

Tsy natao hanakorontana na hanimba zavatra ny fanoherana, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».

Card image cap
17-janv-2025

Foto-pisainan’ny antoko politika FLN na «Front de libération nationale» ny hoe tsy misy vahoaka resy amin’ny taniny,

Card image cap
17-janv-2025

Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara

Card image cap