airtel

Politique

03-juin-2022

Politique

Kaominina Talatamaty Nosantarina tamin’ny vavaka ny fankalazana ny 26 jona

Sample post image

Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

03-juin-2022

Vavaka iraisam-pinoana nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra notanterahina tao amin’ny Eglizy Katolika Faralaza no nanohizana ny hetsika omaly hariva tamin’ny 03 ora folakandro izay nitondrana am-bavaka ny firenena ka niantsoana ny vahoaka rehetra. Nambaran’ny Ben’ny tanana Randrianoasy Elie Dominic fa betsaka ireo hetsika entin’ny kaominina Talatamaty hanamarihana ny fetim-pirenena amin’ity taona 2022 ity hamalifaliana ny vahoaka. Ankoatra ny matso lehibe sy ny fiaraha-misakafo izay hotanterahina ny datin’ny 26 Jona ho avy izao ao amin’ny kianja maintson’Amborompontsy mantsy dia hisy ireo karazana fifaninana hahafahan’ny tanora mandray anjara ka anisan’ireny ny Miss et Mister. Ireo tanora zazavavy sy zazalahy 15 ka hatramin’ny 25 taona no afaka mandray anjara amin’izany….Hisy ihany koa ny didim-poitra faobe sy ny tsenam-bokatra hampirantian’ireo tantsaha ao an-toerana ny vokatra vokariny hahafahana manohana sy manampy azy ireo.
Pati
Legende : Nandritra ny fonompoam-pivavahana teny amin’ny Ekar Faralaza
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap