airtel

Politique

24-juin-2021

Politique

Kaominin’Ambonivohitr’Antsirabe Ratsy lavitra noho ny teo aloha ny fitantanana

Sample post image

Tonga teto Antananarivo omaly ny solontenan’ireo mpanolontsain’ny tanàna ao amin’ny kaominin’ambonivohitr’Antsirabe izay tsy mankasitraka

24-juin-2021

intsony ny fomba fitantanana ny kaominina ao an-toerana. Mivoana amin’ny andraikitra tokony ho sahanin’ny tsirairay ny ao amin’ny kaominina amin’izao fotoana izao, hoy izy ireo. Ny lalana 2014-020 no mifehy ny kaominina. Mipetraka ao ny andraikitra mazavan’ny mpanolontsaina toy ny hoe mila mahafantatra ny zava-misy rehetra eo amin’ny tanàna amin’ny maha olom-boafidim-bahoaka azy. Miankina amin’izay no hanolorany saina ny mpanatanteraka hoe ity zavatra ity mila jerenareo akaiky, ankoatry ny andraikitra manokana amin’ny maha ben’ny tanàna na mpanatanteraka azy. Ny zava-misy ao amin’ny kaominin’Antsirabe dia tsy henoina mihitsy izay fitondran’ny mpanolontsaina ny hetahetam-bahoaka izay. Na ny paikandro na “ordre du jour” heverin’ny mpanolontsaina fa tokony ho dinihina anaty fivoriana aza dia tsy ampidirina anatin’izany mihitsy. IRK moa no filohan’ny mpanolontsain’ny tananan’Antsirabe dia izay tian’izy ireo atao no ataony. Miverina tanteraka amin’ny nataon’ny teo aloha ihany ny fitantanana an’Antsirabe ankehitriny. Fantatra sy mazava ny tsy fahombiazana nataon’ny fitondrana teo aloha ary hiaraka hanarina izany no fomba fijery niarahana tany am-boalohany. Ankehitriny anefa dia mivadika tanteraka ny rasa satria ratsy lavitra noho ny teo aloha ny fitantanana ankehitriny. Mba hisorohana ny gaboraraka dia nanapa-kevitra izahay firehana miisa 3 ankoatry ny IRK hanao tatitra momba izany. Tsy manaraka ny laharam-pahamehana ny zava-misy ary fantatsika tsara ny tsy fandoavan’ny karaman’ny mpiasa mbola tsy voaloha ary tokony andraikitray fitantanana vaovao no mandoa azy saingy tsy natao anefa izany. Toy izany koa ny fanefana ny trosa isan’ambaratongany. Eo koa ny fampidirana mpiasa izay tsy araka ny lalana tokony hifehy azy sy ny familiana ny lalana any amin’ny tsy tokony ho izy, izany hoe fanosihosena ny lalampanorenana mifehy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Manao antsoavo ny tomponandraikitra isan’ambaratonga sy ny vahoaka hijery akaiky ny zava-misy, noho izany, ireto mpanolontsaina ireto. Lakolosy tokana, hoy hatrany izy ireo, no hitantanana ny tanana, raha nanamarika fan a mpanolontsaina miisa 9 amin’ny 19 aza izy ireo no manohitra ny zava-misy dia avy amina firehana miisa 3 dia ny Mahaleotena Antsirabe mivoatra, ny Hasin’Antsirabe ary ny Tiako I Madagasikara.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap