airtel

Politique

01-sept-2022

Politique

Kaominin’Ankaraobato Miisa 11 ny rafitry ny polisy kaominaly tafapetraka

Sample post image

Miezaka mampandeha sy manatanteraka ireo fampanantenana natao tamin’ny vahoakan’Ankaraobato ny tena ankehitriny, raha ny mikasika ny fitantanana ity kaominina ity no resahana,

01-sept-2022

hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Herinjato Samuelson Ramamenosoa. Betsaka, hoy izy, ny tanteraka fa maro koa ny mbola kasaina atao. Tsapa fa fohy ny fotoana rehefa tena iasana. Raha ny fifehezana ny toe-draharaha mikasika ny zava-mahadomelina nahoraka tao ho ao dia nisy ny fiaraha-miasanay tamin’ny polisy misahana izany na ny “stupéfiant” sy ny polisy misahana ny resaka fitondran-tena na “mœurs” izay nanatanterahanay fanentanana isan-tsekoly nandritra iny taom-pianarana farany teo iny. Nahazo izany daholo ny sekolim-panjakana sy tsy miankina hoe inona no voka-dratsin’ny zava-mahadomelina ary ny mety endrik’izay ao anaty fiarahamonina. Ny mahakasika ny tsy fandriampahalemana moa dia efa miezaka mifehy izany hatreto ny ao anatin’ny tanana. Efa nisy ny fifampiresahana tamin’ny teo anivon’ny polisim-pirenena ny amin’ny hahafahana mametraka indray izay olona hifehy ny fibaikoana ny paositry ny polisin’Ankaraobato. Miisa 11 koa ireo rafitry ny polisy kaominaly tafapetraka. Hisy koa ny fampiofanana ireo andrimasom-pokonolona na “quartier mobile” ifehezana izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ny ben’ny tananan’Ankaraobato 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap