airtel

Politique

19-juil-2022

Politique

Kaominin’Antsiranana “Nanjavona ny volan’ny CLD”

Sample post image

Volan’ny CLD tokony nanaovana fampandrosoana ny kaominin’Antsiranana nomena ny depiote iray voafidy tao an-toerana no nanjavona,

19-juil-2022

hoy ny fampitam-baovaon’ny mpampaneno lakolosy anaty tambazotran-tserasera, Fernand Cello. nanomboka ny taona 2016 no tsy nisitraka izany ny kaominina fa fausse facture na faktiora sandoka no nataon’ny solombavambahoakan’Antsiranana I, hoy ny ben’ny tanàna, Djavojozara Jean Luc. Ampodiano amin’ny kaominin’Antsiranana ny vola 298 tapitrisa Ariary, hoy ny nambaran’ny “inspection d’état” na fitsiriham-panjakana nandeha amin’ny filoham-pirenena izay nandeha amin’ny governemanta ary nandeha any amin’ny fitsarana any, hoy hatrany ity fampitam-baovao ity. Isika eto amin’ny kaominin’Antsiranana mbola nisitraka an’io CLD io nanomboka 2016 ka hatram izao. Nankaiza ny vola 2018 vao henonay tamin’ny vavan’ny depiote hoe volan’ny CLD nanaovana an’ity. Inona no hidiranao amin’io, hoy hatrany ny ben’ny tanana, araka ny nitateran’ity mpampaneno lakolosy ity ny teniny. Avoahay ny marina, inona no antony hamoahana vola rehetra io nefa tsy misy asa vita Ny 2017 efa mazava ao ny taratasy rehetra. Izahay tato natao sary. Nandray “100 photos photovoltaïque”, taiza no nandraisanay izany zavatra izany Lisea nolazaina fa nahazo solosaina miisa 40 nefa nilaza taminay fa tsy nandray izany. Faktiora fosika kay ilay izy. Inoana fa ambany lalana ny rehetra, hoy hatrany ity tati-baovao voaray ity.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap