airtel

Politique

20-juil-2022

Politique

Kohen Rivolala « Mila ctic ctac dou ny mpitondra tsy mahavaha olana »

Sample post image

Efa mipoaka ny sarom-bilany ankehitriny fa miandry ny fahavakisany fotsiny sisa ! io no nambaran'ny Kohen Rivolala manoloana izao krizy lalina iainan'ny vahoaka Malagasy izao.

20-juil-2022

Tsy misy tsy mikaikaika mantsy ankehitriny ny isan-tokatrano amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana amin'ny ankapobeny toy ny solika,saran-dalana,PPN … Ny vola miditra ho an'ny isam-batan'olona anefa vao mainka aza mihena. Raha tokony famahana sy fitadiavam-bahaolana momba izao fahasahiranam-bahoaka izao no tokony hataon'ny mpitondra fanjakana, hoy ny Kohen Rivolala dia werawera sy propagandy mialohan’ ny fotoana indray no mahamaika azy ireo toy ny tany Mandoto Antsirabe farany . Sakana tsy ahavitan'izao fitondrana izao mamaha olana ny tsy fahatsapan'izy ireo ny tena fahasahiranam-bahoaka marina; manginy fotsiny hoy i Kohen ny fanotana fady ataon'ireo mpitondra ireo ka lasa sakana sy ozona tsy hahatafavoahan'ity firenentsika ity anaty fahantrana mihitsy. Notsipihiny ohatra ny fananganana "colisée" ao anatin'ny Rovan'i Manjakamiadana,ny fametrahana tsangambato hafahafa etsy sy eroa ampian'ny fanararaotam-pahefana ataon'ny mpitandro filaminana sasany amin'ny vahoaka madinika,ny kolikoly maro eny anivon'ny fitsarana ka zary ozona ihany koa satria ny 70% n'ireo voafonja amin'izao fotoana izao raha ny fahitan'I Rivolala Kohen azy dia saika olona tratry ny tsy rariny sy endrikendrika avokoa na niady tamin'ny mpanambola ka any am-ponja no niafarany na dia tsy meloka aza .Mahatezitra ny tontolon'ny fanahy ny tsy rariny toy izany ary sakana tsy handrosoan'ny firenena.
LOABARY AN-DASY
Mila omena ny ctic ctac dou ireo mpitondra ireo rehefa tsy mahatafavoaka baolina sy tsy mahavaha olana hoy i Kohen ! ilaina ny fanaovana loabary an.dasy hiaraha.mikaondoha hitadiavam-bahaolana ho an'ny firenena sy ny vahoaka mba tsy ho difotry ny fahasahiranana lalina.Tsy tokony hiziriziry ny Filoha sy ny Governemanta fa tokony hanaiky izay tinapaka mandritra izany fikaonandoha iarahan'ny rehetra izany, hoy izy ! Ho an'ny vahoaka kosa, marina fa tena mafy ny fahasahiranana iainantsika amin'izao fotoana izao saingy tsy vahaolana ny fanonganam-panjakana, manjary ho afa-maina mantsy ireo mpitondra ankehitriny raha misy izany satria hilaza sy hiala bala indray izy ireo fa ny fanonganana azy mihitsy no tsy nahavitany hatramin'ny farany ny fampandrosoana sy ny velirano saika hataony, hoy I Rivolala Kohena ary notohizany hoe :aleo hotsaraintsika vahoaka amin'ny alalan'ny fifidianana izy ireo amin'ny taona 2023 hahafantarany marina raha tena mbola tia azy ireo tokoa na tsia isika vahoaka Malagasy 27 tapitrisa.
Pati

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap