airtel

Politique

01-sept-2022

Politique

Kolikoly, tsy rariny, faritra adino Mampaneno lakolosy ny depiote Rossy

Sample post image

Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha any Ikongo. Efa milamindamin-dratsy rehefa tonga ny mpampandry tany, ny mpitondra Fanjakana izay naneho fa hanao fampihavanana,

01-sept-2022

nisy ny fanolorana omby avy amin’ny zandary ho mariky ny fombafomba. Isan’ny naneho hevitra kosa ny Depiote Paul Bert Rahasimanana omaly tamin’ny tambajotran-tserasera, ka isan’ny nomarihina ny hoe: maninona ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa no tsy nentinareo ? Tsy azo hamaivanina ary mavesa-danja na iray aza aza aina latsaka. Nomarihiny fa iaraha-mahita izao ny maha mitoka-monina sy adino ny any Ikongo, ka isan’ny ahatarafana izany ny lentan’ny fonja. “Malahelo aho, ary toa malemy (impuissant), tsy manome tsiny tsy mitady izay hamatrarana (bouc émissaire) fa fahantrana, lavitra andriana, tsy fihainoana olom-boafidy, kolikoly any amin’ny tokony ahitàna ny rariny sy ny hitsiny, “denie de verité” amin'izay olana efa nitranga teo aloha ka tsy nakàna lesona (efa nitranga tany Ikongo ny zavatra ohatran'io), hoy izy. Nankahery ny minisitry ny fiarovana izay nambarany fa manao ny ainy tsy ho zavatra handaminana izao raharaha sarotra sy efa miely eran-tany izao izao moa ity Depiote ity. “Vay an-kandrina, fehiny azoko tsara saingy tsy mitsara olona aho”, hoy hatrany izy. Na izany aza, naneho ity depiote ity, fa nisy olom-boatendry nanafokafoka olom-boafidy tany, andana alamino amin'izay raha tena lehilahy na vehivavy, tapitra", hoy izy.
TSY NOHAINOANA, NOHENJEHINA,…
Isan’ny nohenjehina fatratra moa ny depiote tany Ikongo tamin’ny raharaha fizarana ny faritra Vatovavy Fitovinany, ka nanehoany tamin’izany fa mila manana ivim-pahalalana momba ny haifiarahamonina sy haivondron’olona na “anthropologie”, fa tsy politika fotsiny. Tsy nohenoina ny fangatahan’ny vahoakan’Ikongo momba izay faritra tokony hisy azy. Isan’ireo nanakiana mafy ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta izay lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana ny tenany eo anatrehan’ny fikorontanan’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny kolikoly sesilany,… Isan’ireo olom-boatendry nanenjika sy nanakiana azy mafy Rtoa Rinah Rakotomanga. Tato aoriana, nitondra fanamarihana goavana momba ny teleferika izay tsy maika raha halatra amin’ny laharam-pahamehana satria ny fampifandraisana ireo distrika manerana ny Nosy aloha no tokony ho laharam-pahamehana. Mbola tany Ikongo ihany koa ilay resaka fanampiana nozaraina tamin’ny kapsily sy sotro, izay vao nikorapaka ny Fanjakana. Marary amin’ny vahoakan’Ikongo ny natao azy, ny natao amin’ny olom-boafidiny
Toky R 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap