Raha ny fanambarana nataony niaraka tamin’ireo mpiaradia aminy omaly dia maro be ireo toe-javatra sy tsy fahatomombanana ary tsy fanarahan-dalàna nitranga, izay mampisy ahiahy. Tsy hanaiky ny halatra moa izy ireo fa hiady hatramin’ny farany ka hametraka fitoriana any amin’ny CENI sy ny HCC ny mba handraisan’ireto farany ny andraikitra mifanandrify amin’izany. Ankoatry ny kandida Rahasimanana Paul Bert na Rossy izany dia kandida faharoa nilaza ampahibemaso ny ahiahiny amin’ny resaka halabato ny kolonely Ramboasalama Émilien, samy nilatsaka ho fidiana eny amin’ny boriborintany faha 4 Antananarivo renivohitra mo aizy mirahalahy ireto ary samy solombavambahoaka teo aloha avy amin’ny TIM sy ny MAPAR fa kosa samy nanao kandida mahaleotena tamin’ity indray mitoraka ity. Tena maro ny zavatra tsy nilamina teny amin’ny boriborintany faha 4 hoy izy ireo ary hanana porofo sy vavolombelona izany . Raha ny vokatra vonjimaika hatreto aloha dia tafiditra laharana voalohany eny amin’ny « 4ème » I Rina Randriamasinoro (Firaisankina) ary faharoa kosa i Rafidimanana Désiré na Fidy TMH (IRMAR).
Lalaina Rav
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia