airtel

Politique

26-nov-2021

Politique

Kopisoroka amin'ny fifidianana... Tambazana moto ireo ben'ny tanàna

Sample post image

Tonga nanolotra moto ho an'ny Ben'ny tanàna manerana ny distrikan'ny Lalangina ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana Atoa Pierre Houlder Ramaholimihasy omaly alakamisy 25 novambra 2021.

26-nov-2021

 Nambara fa “Araka ny fampanantenana nataon'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina” io. Heverina ho fanambazana sy fakana sahady ny fon’ireo ben’ny tanàna manerana ny Nosy, efa novoriana tao Antsirabe ny 8-9 novambra teo, izay niarahan’izy ireo tamin’ireo Governora. Ny Praiminisitra mihitsy no tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy tamin’io fotoana io. Nambara tany Antsirabe fa Fahaleovantena sy fandraisana andraikitrin'ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana no tanjona, ka niresahana ny manodidina ny tetik'asa ho azon'ny CTD (Colléctivité Territoriale Décentralisé) rehetra, fiarovana sy filaminam-bahoaka, fifandraisana amin'ny Ministera hafa mahakasika ny asa eo anivon'ny CTD,… Tena izay ve anefa no tanjona raha jerena amin’ny fomba fiasa sy ny laharam-pahamehana apetraky ny mpitondra amin’ny fitantanana firenena? Ho mafy ny ady amin’ny fifidianana 2023 ka ny fanambazana ireo ben’ny tanàna no hihazakazahana mba hakana ny fony sy ny vahoaka entiny, fa raha izay fampandrosoana sy progaramam-panjakana tena mipaka eny ifotony aloha mbola lavitry ny kitay ny afo hatreto. Tombanana ho ireo no hatao fitaovana hanaovana kopisotroka hampandresy ny Mpitondra ankehitriny amin’ny fifidianana. Lalaovina ny sary sy ny serasera hoenti-maneho, fa ny ben’ny tanàna manerana ny Nosy aza manohana azy. Ny minisiteran’ny atitany izay manao fizarana no mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, etsy andaniny dia manana andraikitra amin’ny fifidianana. Miisa 1695 ny kaominina eto Madagasikara ka raha toa ka homena “moto”iray isan’olona tombatombanana ho 6 tapitrisa Ar isaky ny iray eo dia mahatratra 10 170 000 000Ar eo izany no haompana amin’izany. Izay tena resaka fitsinjaram-pahefana izany mbola resabe no betsaka fa mivangongo any amin’ny Fanjakana foibe ny zava-drehetra, indrindra fa ny vola, fa viviny kely no tonga eny ifotony raha hisy. Asa hoe: fizarana moto ve no maika sy laharam-pahamehana amin’izao zavatra mahazo ny firenena izao?


Maro no mihevitra fa tena mety hanjaka indray ny fividianana mpifidy sy fanaovana tsindry bokotra. Efa nanipy teny amin’ny hisian’ny fifdianana milamina anefa ny Vondrona Eoropeanina, ary nilaza fa hanao fitsirihana ny raharaham-pifidianana niainga tamin’ny 2018 manomboka martsa 2022, araka ny resaka farany teny iavoloha.
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap