airtel

Politique

09-déc-2022

Politique

Krizin’ny andrim-panjakana Nosarontsaronana saingy mbola ady tsy vita…

Sample post image

Nilamindamin-dratsy ny raharaha fitsipaham-pitokisana, avotra ny Praiminisitra sy ny governemanta hatreto taorian’ny toe-draharaha nafana maneho sy manamafy ny lonilony politika ao anaty Fanjakana.

09-déc-2022

Ny IRD no manana ny maro an’isa ao amin’ny Antenimiera, saingy ireo no be indrindra tao anatin’ilay fitsipahana nitsefotra. Hilamina eo ve ny raharaha sa hanova ny sary politika? Raha aretina sy fery aloha, dia tahaka ny nosorana paomady dia hoe: milamina! Ny olana ara-politika anatiny eo amin’ny samy mpitondra no nalamindamina sy nosarontsaronana, fa ny fahoriam-bahoaka niniana nikipiana rehefa zohiana ny resaka. Ara-politika, na avotra ary governemanta, efa naman’ny vaky ny ady, tsy misy fahamarinan-toerana ara-politika intsony, fa ny fanajana ny fitsipika anatin’ny antoko sy ny tenin’ny Filoha ankehitriny izay Lehiben’ny TGV MAPAR no natao paomady nanarontsaronana ny fery. Ary ankilany, toa karazan’ny mampiharihary ny maha hery goavana azy ihany koa ny hery miara-dia amin’ny Praiminisitra sy ny ao an-damosiny, ary toa manan-tahotra amin’izany ny Filoha rehefa zohiana. Vao nipoaka iny resaka fitsipaham-pitokisana iny, dia efa nandeha ny adin-tserasera goavana, ka isan’ny natao maty henjika ny Filohan’ny Antenimierampirenena ary orinasan-tseraseran’ny olona iray ao anatin’ny governemanta no isan’ny nanaratsy mafy misy fizaram-bola ao Tsimbazaza. Ireo depiote lohandohan’ny mpisorona ao anatin’ny IRD maro no nijoro nilaza fa tsy misy an’izany fa fanavotam-pirenena no ataon’izy ireo, ary nisy aza no nilaza fa tahaka ny tolon’ny depiote 73 tamin’ny 2018 ihany ka tsy misy resaka fizaram-bola. Na nilamindamina aza iny fitsipahana iny, efa naman’ny krizin’ny andrim-panjakana na “crise institutionnelle” no misy ankehitriny. Misy ireo depiote ao anatin’ny fitondrana no toa tahaka ny sosoa voatapo-drano taorian’ny zava-nitranga, ary toa manao firesaka hafahafa. “… Ny PAN Christine Razanamahasoa dia filohan’ny Antenimierampirenena voafidy 147 amin’ny 147 ary tsy afaka handaha izay tsanga-tànana ataon’ny depiote efa ho 100 na inona na inona firehany. Koa ny “attaques” atao azy dia raisinay ho atao amin’ny andrim-panjakana iray manontolo,… Na inona na inona hitranga mantsy dia efa tafita ny hafatra fa tsy “assemblée croupion” ny ato fa manao sy manaja ny asany manara-maso ny mpanatanteraka", hoy ny depiote Rahasimanana Paul Bert. Midika zavatra betsaka izany, izay toa manamafy fa notsipahana aza ny fitsipaham-pitokisana, dia efa tafita ny hafatra fa tsy afa-po amin’ny governemanta ny etsy Tsimbazaza. Tsy marin-toerana intsony ny fitondram-panjakana, fa anaty lonilony ireo manodidina ny Filoha, vao mainka nandiso fanantenana ny olom-pirenena ilay zava-niseho satria ny tombotsoa politika no ambony fa tsy ny tombotsoam-bahoaka. Handroso maty raibe, hihemotra maty renibe ny Fanjakana Rajoelina, ka naleony nisafidy ny ho vao mainka halam-bahoaka toy izay ho halan’andriana satria mety tsy ho zaka ny hatezeran’ireo atahorana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Nidina ifotony nanaramaso ny lisipifidianana teny amin’ny fokontany Andafiavaratra

Card image cap
27-mars-2024

Mbola tena marefo ny fiainan’ny antoko politika eto Madagasikara hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro,

Card image cap
27-mars-2024

Tsy mametram-panontaniana ve isika, hoy i Raobelina Andry avy ao amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy hoe :

Card image cap
27-mars-2024

Sarotra ny hananana fanantenana fa hiova hahomby izao fitondrana misy izao.

Card image cap
27-mars-2024

Vaovao politika nalaza tao anatin’ny 48ora farany ny fanambarana politika

Card image cap
27-mars-2024

Nisy ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataona parlemantera vitsivitsy,

Card image cap