airtel

Politique

31-janv-2022

Politique

Lalàna sy soatoavina Malagasy Tsara toerana hanome lesona ve ny TGV-MAPAR ?

Sample post image

Adihevitra mitana ny sain’ny maro amin’izao fotoana izao ny raharaha Mahery Lanto Manandafy, izay notorian’ny Fanjakana eny amin’ny Sampan-draharaha misahana ny heloka an’habaka na “Cybercriminatité”

31-janv-2022

ho nanely vaovao tsy marina sy maniratsira ny Fitondram-panjakana. Hiakatra fitsarana mihitsy. Mirarakopana ny fanehoan-kevitra na ny mankasitraka na ny manohitra ny fifanoherana. Mandeha ny fanomezan-desona, toy ny nataon’ny Minisitry ny atitany Atoa Pierre Houlder ny herinandro teo, fa raran'ny lalàna mifanohitra amin'ny soatoavina Malagasy ny famingavingana ny filoha. "Efa any anaty lalàna ny fandrarana ny famingavingana andrim-panjakana sy ny famingavingana filoham-pirenena. Amin'ny maha-olombelona, araka ny fahendrena malagasy, tsy tokony atao ihany koa ny mamingavinga Ray aman-dReny. Ny Raiamandreny fanaja, araka ny soatoavina malagasy. Ny ady hevitra ve tsy maintsy tonga amin'ny famingavingana, ary mitondra antsika mankaiza izany? Miala amin'ny fahantrana ve ny Malagasy ary handroso ve ny firenena raha ifamingavinga isika?", hoy izy. Isaorana ny fampahatsiahivana sy ny famerenan-doha ataona manam-pahefana tahaka izany, ary zava-dehibe rehefa mahatsapa ny Mpitondra fa tsy mety tokoa ireny, ary miombon-kevitra 100% isika. Ilaina ny famerenan-doha! Tsara tsiahivina ihany koa anefa, ary tsy sanatria natao hivoizana ny efa hita fa tsy mety, fa kosa mila ampahatsiahivina ny tantara mba hakana lesona satria misy manao ririnin-dasa tsy tsaroana. Hita miharihary ny fanaovana vain-drahalahy tsy mba marary. Tena nanao ny mety sy nanaja ny soatoavina malagasy ve ny mpitondra ankehitriny sy ny antokony? Moa mba nandray andraikitra ve ny Fitondram-panjakana rehefa nohivahivaina, nozonina, nompaina, novetavetaina,… ireo Filoha teo aloha? Ny olon’ny MAPAR sy ny TGV no nilanja vatam-paty teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny aprily 2018 hoe: “Veloma Rajao”. Mendrika hanome lesona momba ny soatoavina ve ny nanao an’ireny na mivantana na ankolaka? Nitory teny amin’ny “Cybercriminalté ny Antoko TIM tamin’ny zavatra mamoafady nilazana fa maty i Marc Ravalomanana; nisy ihany koa ilay vaovao tena tsaho nivoaka tamin’ny Facebook sy haino aman-jery mpanohana fitondrana ny aprily 2020 nilazana fa tonga ao Nosy Be ny mersenera sy ny fitaovam-piadiana nafaran-dRavalomanana,… Mba taiza ny Cybercriminalité na ny manam-pahefana mahefa tamin’ireny ?
Toky R

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap
19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap