airtel

Politique

20-sept-2021

Politique

Lalatiana Andriatongarivo Ny nataony ihany no miverina aminy ?

Sample post image

Miha mamaivay amin’ny endriny rehetra ny tsikera momba ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo sy ny vadiny Andry Andriatongarivo,

20-sept-2021

 noho ny fiitaran’ny resaka momba ilay raharaha fitifiran’olona teny Ambatobe sy fifandraisana manokana eo amin’ity minisitra ity sy ny mpanakanto misie Sayda, izay niseho efa ho iray volana izao. Ao ireo manao izany toy ny miendrika vazivazy amin’ny alalan’ny fanehoana ny sarin-dramatoa minisitra miara-mandoko rindrina mifanelanelana amina lehilahy iray nandritry ny hetsika “Asa Tagnamaro” natao tany Ambatondrazaka farany teo. Naka elanelana mihitsy razoky, hoy ny vazivazy, sao hanahirana. Etsy ankilany moa dia mamaivay ihany koa ny tsikera mikasika ny tsy fisian’ny fepetra noraisina momba ny vadin-dramatoa minisitra izay tazana niaradia taminy hatrany ihany koa nandritr’ity hetsika “Asa Tagnamaro” ity. Olona sahy mandrahona hanagadra mpitsara sy mandrahona hanala jeneraly amin’ny toerana ao anatin’ny herinandro, mitondra basy sy mitifitra izay tiany ho tifirina, loza ho an’ny fiarahamonina na “danger publique” moa, hoy ny mpanao gazety, Fernand Cello, sy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Mahery Lanto Manandafy, nandritry ny fandaharana tanaty fahitalavitra tsy miankina iray ny faran’ny herinandro teo. Niparitaka tanaty tambazotra sosialy indray nanomboka ny sabotsy hariva ny sarin’ny minisitra mivady nifamihana tahaka ireny tanora mpifankatia tsy mifankafoy ireny dia niraradraraka ny kiana hoe : nisy tahaka izao ihany koa inona no tsy nampisehoana azy hatramin’izay sy ny hoe sao dia mba sary hamonoan’afo fotsiny noho ny zava-misy aza.Teo koa moa ireo niarahaba sy naniry soa. Henjana dia henjana ny fanakianana mahazo azy mivady ireto aloha tato anatin’ny 2 herinandro izao ary dosie maro no nivoaka.Tsy hampihemotra anay izany hoy ny minisitra Lalatiana izay iarahan’ny rehetra mahalala ihany koa fa tompondakan’ny fanatsikafonana dosie sy fanakianana ary na ny Filoham-pirenena ankehitriny sy ramatoa vadiny aza dia efa nataony maivana toy ny volom-borona fony tetezamita rehefa tsy nifanaraka ry zareo.Tsy misy ny zava-baovao fa ny natao ihany no miverina amina hoy ny hevitry ny mpanara-baovao sasany, ka asa izay hiafaran’it resaka ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap