airtel

Politique

28-janv-2021

Politique

Lapan’ Anosikely Mitohy ny fizarana seza

Sample post image

Mitohy ny fizarana seza ao amin`ny lapan` Anosikely saingy toa tsy misitraka izany ny rehetra.

28-janv-2021

 

 

Mbola misy ny toeran'ny filohan'ny kaomisiona telo izay hofenoina aorian` ny fanekena ny fitsipika anatiny vaovao eo anivon` ny Antenimierandoholona. Ny iray amin`ireo mpitsara roa aloha no azo antoka fa hisahana ny fiadiadin` ny vaomiera misahana ny lalàna. Tsiahivina fa ny mpitsara fahatelo, Imbiki Herilaza, dia efa nahazo ny iray amin`ireo filoha lefitra roa. Ireo mpitsara, Hajaniaina Tahina Andrianandrasana sy Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa, araka izany, no hiady toerana amin`izany. Raha voafidy ny mpitsara voalohany dia hanana solontena telo ny faritanin'i Fianarantsoa satria lany ho Filoha lefitra misolo tena ireo faritany avy any atsimo i Nicolas Rabemananjara. Ny mpiray lisitra taminy kosa , Raymond Rakotondratsimba, no mpampaka-teny. Hanamafy ny "zara vilana" eo amin`ny faritany enina izany raha tanteraka. Etsy ankilany, raha lasa filohan`ny vaomiera misahana ny lalàna ny mpitsara faharoa, dia hisy fisokafana kely ho an'ny antoko Malagasy Miara Miainga (MMM) izany, na dia manohana ny Fitondram-panjakana azy ity antoko ity, na ihany koa tsy afaka manangana vondrona parlemantera. Mikasika ireo toeran'ny filohan'ny komisiona roa hafa dia raha ny lojika dia tokony ho an`ireo loholona avy amin'ny faritany roa tsy voasolotena ao anatin` ny birao maharitra : Mahajanga sy Toliara. Raha toa ka tsy mahazo anjara amin`ireo toerana ireo ireto faritany ireto dia mety hampitombo ireo tsikera amin`ny fisian` ny tsy rariny na fanilihana na koa fanavakavahana ny Faritany roa.

Marigny A.

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap