airtel

Politique

17-mai-2022

Politique

Lisi-pifidianana tsy mety madio 500 000 vao nisoratra anarana, 263 314 nesorina

Sample post image

Nifanarana ny nanomboka ny alahady 15 mey lasa teo ny fanavaozavana isan-taona ny lisi-pifidianana,

17-mai-2022

izay voafaritry ny lalàna fehizoro 2018-008 tamin’ny 11 may 2018 mikasika ny fitondrana ankampobeny ny fifidianana sy ny fitsapankevi- bahoaka. Mpifidy vaovao 500 829 no nisoratra anarana ao anatin’ny lisitra vonjimaika, izay manome taham-pitomboana 2,26% mitaha amin’ny 2020-2021. Miisa 263 314 kosa ireo nesorina. Halefa eny amin’ny fokontany ny lisitra ahafahana manara-maso azy ka manana 20 andro ireo olom-pirenena ahafahana manatanteraka izany, mialohan’ny fanakatonana tanteraka ny lisitra. Ambany noho ny taha nandrasana ny fiakarana, fa tsy arakaraka ny nantenaina. Nisy fitomboany ny olona tonga nanao fanaraha-maso ny anarany tao anaty lisi-pifidianana na izany aza. Andrasana moa ny fanavaozana tanteraka na “refonte” amin’ny lisipifidianana, izay voalaza fa efa nisy ny didim-panjakana momba izany. Isan’ny ain-dehiben’ny fifidianana io lisitra io, ary efa adivehevitra tsy nifankahitana ny tamin’ny 2018 ny raharaha “doublon” efa hatrany amin’ny 1 200 000. Antony iray tsy maha marin-toerana hatrany ny Fanjakana ankehitrin io. Efa niantso fanavaozana sy fanatsarana ny Vondrona Eoropeanina, ka isan’izany ny fahaleovan-tena ara-bolan’ny CENI, toa mandrisika ny hisian’ny fifampidinihana ara-politika, mitaky fahalalahana maneho hevitra, fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety,… Mbola ho raharaha ity resaka lisitra sy raharaham-pifidianana ity. Manomboka mampiteny ny olony, ohatra, ny TGV momba ny fanehoan-kevitra miendrika tsindro-paingotra ataon’ny Vondrona Eoropeanina na koa ny mpanohitra momba ny raharaham-pirenana sy fifidianana. Amin’izy ireo, ny fikaonandoham-pirena aloha, raha toa ka nilaza kosa ny depiote IRD iray, fa fanavaozana tanteraka ny lisitra no maika fa tsy ny fikainandoham-pirenenena. Mbola betsaka ny mampifanditra, ary anisan’ny loharan’ny sakoroka ny fifidianana manaraka eo, raha tarafina amin’ny tsio-drivotra politika mandeha amin’izao fotoana izao. Fandeferana ny an’ny andaniny ny tamin’ny 2018, fa efa mandeha ihany koa ny fampitahorana amin’ny endriny samihafa tsy hanaiky ho don-tandroka intsony. Ahiana ny sakoroka ara-politika, raha tsy mazava ny fitsipi-dalao. Hatramin’izao tsy mety voalamina ny lisi-pifidianana, izay isan’ny lesoka miteraka fanapahan-kevitra mety ho diso amin’ny fifidianana sy fitantanana ny firenena. Maro no mila havaozina na ny endri-pifidianana na ny lalàna mba hisian’ny tena fifidianana madio sy eken’ny rehetra fa tsy ho loharanona korontana foana.

Toky R

 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap