airtel

Politique

26-janv-2021

Politique

Loholona vaovao « Tsy maha maika aloha ireo fanadihadiana parlemantera »

Sample post image

Mampiseho finiavana hisafidy ny hisolo tena ny vondrom-bahoakam-paritra ireo loholona vaovao.

26-janv-2021

 

 Raha ny andraikitra voalohany amin` ny maha parlemantera ny fanaraha-maso ny asan` ny governemanta dia tokony hifantoka bebe kokoa amin'ny zava-misy eny ifotony noho ny raharaham-pirenena. Raha ny nambaran` ny Filohan` ny Antenimierandoholona vaovao, Herimanana Razafimahefa, ny laharampahamena ho an` ity andrimpanjakana ity dia tsy ireo « fanadihadiana parlemantera » aloha. Fa kosa « tokony ho vonona amin’ny andraikitra izay hiantsorohana, izay miainga avy any ifotony », hoy izy nandritra ny lahateniny nandritra ny lanonana famindram-pahefana nifanaovan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha Rivo Rakotovao, omaly. Etsy ankilany, ny filoha Rivo Rakotovao, dia nanamafy ny andraikitry ny Antenimierandoholona amin` ny fanaraha-maso ny asan` ny governemanta. "Ny Antenimierandoholona dia tompon'andraikitra amin'ny fifehezana ny fitantanana raharaham-pirenena mba hialana amin'ny krizy", hoy izy. « Ary tsy maintsy izany » hoy hatrany izy, raha nanindry ny fisian` ny tatitrin` ny vaomiera parlemantera eo anivon` ity andrimpanjakana ity mahakasika ireo raharaha efatra izay nataon` ireo loholona namarana ny fe-potoam-piasany.

 

Marigny A.

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap