airtel

Politique

20-oct-2022

Politique

Madagascar, le changement “Tokony hifototra amin’ny fihavanana ny fampandrosoana eto”

Sample post image

Tsy misy dikany fifidianana atao eto Madagasikara raha miainga amin’ny fifidianana an’I Rakoto mankany amin’i Rabe nefa tsy misy fitsinjovana ny sosialy sy toekaren’ny vahoaka malagasy,

20-oct-2022

hoy ny loholona teo aloha isan’ny tompon-kevitra tamin’ilay vina antsoina hoe “Madagascar, le changement”, Joseph Yoland. Firenena manankarena i Madagasikara, hoy izy. Ahoana no aty amin’ny laharana farany aty isika amin’ny resaka fampandrosoana? Tsy lojika izany. Tsy fanovana olona hitondra no hampiova zavatra eto Madagasikara fa ny fanovana ny rafitra hitantanana ny firenena hitsinjovana ny tombontsoam-pirenena, ny fampandrosoana, ny vahoaka maro an’isa. Efa nandamina ny raharaham-pirenena amin’ny alalan’ny fihavanana moa isika eto Madagasikara ka zava-dehibe eto amintsika io fihavanana io. Tokony hifototra amin’ny fihavanana ny fampandrosoana eto. Maro ny foko eto fa raha mahay mihavana sy mandamina ny raharaham-pirenena dia milamina ny firenena. Manam-pahaizana avy amina oniversite maro no nandrafitra ny “Madagascar, le changement”. Tsy tokony hanaraka ny baikon’ny vahiny isika. Tokony hijery izay zavatra mifanaraka amintsika. Ovana daholo ny lalana satria vokatry ny faneren’ireo vahiny. Kandida manana zom-pirenena malagasy fa tsy zom-pirenena miisa 2 no tokony avela hilatsaka filoham-pirenena. Mila hay ny mampiakatra ny harinkarem-pirenena sy vola miditra amin’ny kitapom-bola malagasy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Joseph Yoland
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap