airtel

Politique

14-sept-2022

Politique

Madagasikara misavorovoro lava Mbola misy fisaraham-pahefana ihany ve eto ?

Sample post image

Ny andininy faha-163 amin’ny lalàmpanorenana no mamaritra ny fisaraham-pahefana mazava tokony hotandrovina, saingy mampametra-panontaniana hoe: mbola manaja izany ve ny fitondram-panjakana ankehitriny?

14-sept-2022

Toa tadiavina tsy hisy intsony fisarahana eo amin’ny fahefam-pitsarana, fahefana mpanao lalàna, fahefana mpanatanteraka. Toa ny baiko politika no tadiavina hifehezana ny fitsarana raha tarafina amin’ny fihetsika sy firesaky ny manam-pahefana sasany. Mandeha resaka fakana sary ny valizin’ny filoha, dia tsy misy intsony ny resaka zo amin’ny tsy maha mbola voaheloka na “présomption d’innocence”, fa tonga dia misy mamoaka miaraka amin’ny ambara fa heloka hanenjehana izay olona, tonga dia lazaina fa olon-doza handeha hifofo ny ain’ny Filoha sy ny fianankaviany. Mandeha fitifirana nahafatesana ain’olona efa ho 30 dia misy tompon’andraikitra ambony toa tsy miandry intsony ny resaka fanadihadiana, fa tonga dia mamoaka fehin-kevitra hoe: iretsy na iry no tompon’antoka, toa lasa tsindry ankolaka na “influence” makany amin’ny mety hitondrana ny raharaha,… Io indray fa nampiato ny fanaovana kopia sy karapanondro faobe aloha ny mpitsara satria misy pitsopitsony tsy milamina, dia misy depiote IRD ao anatin’ny fahefana mpanao lalàna manenjika, dia ny Filohan’ny sendikan’ny mpitsara no henjehina fa misy tsy fitiavana vahoaka, ny kolikoly hiadiavana raha hanao ianao fa tsy ny tombotsoam-bahoaka izay omen’ny Fanjakana no sakananao,… Mbola misy ilàna fisaraham-pahefana ve raha tsindritsindry tahaka izany avokoa ny rehetra? Sa rehefa manana fahefana ara-politika dia manana ny fahefana rehetra ka afaka ny hitsabaka sy hanao tsindry etsy sy eroa?

Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap