airtel

Politique

17-juil-2024

Mafampana ny toe-draharaha

Mitaky ny hamoahana ireo gadra politika ny herivelona maro

Sample post image

Manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena dia nanao fanambarana miaraka tetsy

17-juil-2024

amin’ny Le Pavé Antaninarenina omaly ny fiaraha-mientan’ireo fikambanana maro toy ny ACS, izay ivondronan’ireo CST sy loholona teo aloha, ny B.A.A.A.A.M na Betsileo-Antesaka-Antemoro-Antefasy-Antandroy-Makoa, ny FMKT ivondronan’ny C.T teo aloha, hery politika mitambatra-HPM, Triangle du nord, ny raiamandreny eto amin’ny firenena malagasy, ny Komity ivondronan’ny mpiasa malagasy na K.I.M.M. Masina ny safidin’ireo vahoakan’i Vangahindrano nandany 100% an’andriamatoa Mahavitara Sylvestre ho solombavambahoaka izay nohamafisin’ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana na HCC tamin’ny fomba ofisialy, hoy izy ireo. Satria tany sy fitondrana repoblikanina no misy eto Madagasikara, ny lalàmpanorenana dia manome alalana feno ny fanehoan-kevitra am-pilaminana na «liberté d’expression» izay nataon’ireo mponina tao Vangahindrano kanefa dia nodarofan’ny miaramila baomba mandatsa-dranomaso ary nosamborina ny mpitarika azy ireo, andriamatoa Rasambozafy Cyril, izay mpikambana ato amin’ny A.C.S no sady filoha nasionalin’ny fikambanana B.A.A.A.A.M. Takiana, noho izany, ny famoahana tsy misy hatak’andro an’Andriamatoa Mahavitara Sylvestre, solombavambahoaka voafidy tao Vangahindrano sy ny fampiharana ny didim-pitsaràna navoakan’ny HCC. Tsy ekena ny mizana tsindrian’ila. Nankaiza ny tohin’ny raharaha «Ecran plat», «Bonbons sucettes», «Bolongam-bolamena nanjavona tao amin’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany»? Takiana ny fanafahana madiodio an’andriamatoa Rasambozafy Cyrille sy ireo namany voasambotra. Manjaka eto amin’ny firenena ny gaboraraka sy ny tsy fahamarinana ary ny tsy fandriampahalemana izay mety hiteraka korontana sy fifandrafiana eo amin’ny samy malagasy noho ny tsy fandraisan’ny fanjakana andraikitra. Tonga ny fotoana tokony hanatanterahana ny fikaonan-doham-pirenena andraisan’ireo hery velona rehetra anjara hametrahana ny rafitra vaovao itantanana ny firenena, miainga amin’ny fanovana ifotony anjakan’ny tany tan-dalàna sy ny demokrasia tena izy, hoy hatrany ny fiaraha-mientan’ny herivelona maromaro mitaky izay famoahana gadra politika sy fikaonan-doham-pirenena izay omaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.

Card image cap
07-févr-2025

Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny

Card image cap
07-févr-2025

Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana

Card image cap
07-févr-2025

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

Card image cap
07-févr-2025

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

Card image cap
06-févr-2025

Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo

Card image cap