airtel

Politique

09-mars-2021

Politique

Mafy ny ady Mitady hilalao fivavahana ny Fanjakana ?

Sample post image

Mbola mitana ny sain’ny maro ilay fotoam-bavaka nokarakarain’ny Mpitondra Firenena ny sabotsy teo teny Mahamasina,

09-mars-2021

 nalahatra tamin’ny famoriam-bahoaka ara-politika nataon’ny mpanohitra. Tsy anjarantsika no mitsara, fa kosa andeha hampifandraisina amin’ny raharaham-pirenena. Fifandrifian-javatra ihany ve ny nanaovana azy nifanitsaka tamin’ny famoriam-bahoakan’ny mpanohitra? Sao sanatria natao fitaovana hoenti-misarika olona ny fivavahana hampisehoana hoe jereo ihany koa izahay fa mahazaka vahoaka? Na koa hoe izahay no mendrika kokoa fa mivavaka, fa tsy toa iretsy manao kabary politika? Efa mety tsy mandaitra intsony ny paikady rehetra hafa dia miditra any anaty fivavahana sy finoana indray satria ny Malagasy efa ela no natahotra an’Andriamanitra. Io ilay hoe aza ny lohasaha mangiana no jerena fa Andriamanitra ao an-tampon’ny loha. Isika koa anisan’ny fiarahamonina miaina anaty finoana hery lehibe na hery miafina heverina fa mandrindra ny fiainana. Sanatria lalaovina amin’izany kosa ve? Zava-dehibe ny fampisehoana fa mivavaka sy miankohoka amin’Andriamanitra, ary tena mampihetsim-po ny besinimaro,… Mety ho lasa endrika ivelany izany fa ny fahintsiana, ny fahazavam-po, ny fomba fiasa arahina tahotra an’Andriamanitra,… no zava-dehibe. Tokony ho hita taratra any amin’ny fitantanana firenena izany, saingy hatreto aloha mbola betsaka ny lolom-po hita miharihary, ny fisamborana sy fanagadrana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny tena, ny kolikoly sy fitantanana tsy mangaraharaha,…. Tsy finiavana hitsikera, fa mbola hanjakan’ny tsy fanjariana ny fomba fitantanana ny firenena, fa izay fahagagana ato ho ato no tsy hay. Izay no mahatonga ny saina halaim-panahy handefa eritreritra hoe: sao dia mba tadiavina holalaovina ny resaka finoana sy fivavahana izay mifandipatra amin’ny voalazan’ny lalàmpanorenana amin’ny tsy hanafangaroana ny raharaham-pinoana sy ny raharaham-panjakana ?

 Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap