airtel

Politique

12-oct-2022

Politique

Mahazoarivo Nihaona tamin’ny praiministra ny masoivoho Frantsay vaovao

Sample post image

Nitsidika tamim-pomba fifanajana ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny Ambasadaoro vaovaon’i Frantsa, Andriamatoa Arnaud Guillois, izay miasa sy monina eto amintsika, omaly.

12-oct-2022

Nibahan-toerana tamin’ny diniky ny roa tonta ny fanamafisana ireo vinam-piaraha-miasa hotanterahina eo amin’i Madagasikara miaraka amindry zareo Frantsay.Anisan’ny nasongadin’ity diplaomaty frantsay ity ny sehatry ny angovo, ny fikajiana ny tontolo iainana, ny fampiroboroboana ny toe-karena izay handraisan’ireo orinasa frantsay anjara amin’ny alalan’ny famoronana asa sy fanofanana ho an’ny tanora Malagasy. Mbola olana goavana eto amintsika mantsy io ary tokony hitadiavam-bahaolana haingana. Ankoatra ny fidonanam-poana dia lasa mangalatra sy manao ny tsy fanaony ireo tanora ka tokony handraisana fepetra hentitra.Heverina hitarina eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny kolontsaina ihany koa ny fandaharan’asa hiarahan’ny firenena roa tonta, hoy hatrany ity Ambasadaoro vaovao ity teo am-pamaranana ny resaka nifanaovany tamin’ny praiminisitra.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ny roa tonta omaly
 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Anio 16 aprily 2024 no hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na

Card image cap
16-avril-2024

Isan’ireo antoko nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika Otrikafo

Card image cap
16-avril-2024

Mbola misy ny antsojay amin’ireo tsy ao anatin’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana

Card image cap
16-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitetezana ireo kaominina mandrafitra ny distrikan’Avaradrano tanterahin’ireo Kandida Solombavambahoaka

Card image cap
15-avril-2024

Ny sabotsy 13 aprily teo tetsy amin’ny Espace Fenitra Merimanjaka no nitondrana am-bavaka sy nanolorana ofisialy

Card image cap
15-avril-2024

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Olympia Ampitatafika ny sabotsy

Card image cap