airtel

Politique

31-janv-2022

Politique

Mahery Lanto Manandafy Hatolotra ny fampanoavana anio

Sample post image

Naharitra ora telo latsaka fahefany ny fakan’ny polisy misahana ny heloka an’habaka na ny « Cybercriminalité » an’i Mahery Lanto Manandafy na i Malama ny marainan’ny sabotsy 29 janoary lasa teo.

31-janv-2022

Notorian’ny Fanjakana ho nanely vaovao tsy marina nolazaina fa manakorontana saim-bahoaka tamin’ilay fanontaniana napetrany hoe : ny “Tapaka ihany koa hono ny pont bailey vao namboarina tao Moramanga?” ny zoma 28 janoary 2022. Ny Tonia mpampanoa lalàna ambony no mampiantso, izay midika fa ny fitondram-panjakana no mitory. Notanan’ny polisy 48ora avy hatrany, nanomboka ny sabotsy lasa teo, ary hiakatra fampanoavana anio. Nialohan’ny fiatrehany famotorana ny sabotsy, dia nanitrikitritrika i Mahery Lanto Manandafy fa fanontaniana no napetrany. Fanontaniana no napetraka dia iny no ilàna vaniny, tsy maninona, ary raha iny no hitanareo nananona, dia mbola nampiako ihany koa ary izy tao hoe: faniratsirana ny Filoham-pirenena, ka izay hanaovanareo azy na asa an-terivozona 10 taona na 100 taona tsy raharahako fa tsy hanaiky mihitsy aho hoe ataonareo an’izao i Madagasikara”, hoy i Malama. “Mila mampangina ny mpanohitra izy izany matoa manao an’io, fa izaho tsy hangina, kan a mangina aza aho fa mety ho any am-ponja dia aza matahotra ianareo fa izay no atao hoe: “silence assourdissant”. Manomboka eto, ady ny antsika, ary izao ny zavatra teneniko anareo hoe: izaho dia tsy hifona ary izaho dia tsy hanaiky izany zavatra izany hoe: alainareo ny volam-panjakana, alainareo ny volan’ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale), alainareo ny volan’ny FER (Fonds Routier), lanilanianareo fahatany, alainareo ny volan’ny BNGRC (Bureau National pour la Gestion des Risques et Catastrophes),… lany izy izao tsy voahefanareo ny volan’ny mpandraharaha, ny mpandraharaha ara-tsolika,… Potehinareo i Madagasikara ka izaho tsy hanaiky an’izany fa hifampitady eto isika, na ahafatesako aza ity zavatra ity tsy miraharaha izany aho”, hoy i Mahery Lanto Manandafy. Tsara ny mampahatsiahy, fa efa namoaka fehezanteny tao amin’ny kaonty facebook miantefa amin’ny Filoha Rajoelina i Malama hoe: ““Izaho lesy tsy matahotra an’ialahy na Prezidan’ny Repoblika aza ialahy an”, “Nanampy an’ialahy faran’izay heriko aho, ary hamotika an’ialahy faran’izay heriko ihany koa”,... Asa hanao ahoana ny ho tohin’ny raharaha? Halefa hanara-dia an-dry Berija Ravelomanantsoa sy ry Harry Laurent Rahajason Minisitra teo aloha ve i Mahery Lanto Manandafy sa ampihorohoroana mba hangina sy hampitahorana ireo rehetra sahy manakiana sy mitsikera Fitondrana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap