airtel

Politique

04-juil-2022

Politique

Mahery Lanto Manandafy “Tsy te ho eo amin’ny toeranareo mpitondra isany aho”

Sample post image

Tena tsy te ho eo amin'ny toeranareo aho ry mpitondra fanjakana isany, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Mahery Lanto Manandafy.

04-juil-2022

Soa ihany fa naka sisiny lavitra be, hoy izy. Loza manambana avy any avaratra. “Carburant = hyperinflation”. Avy avaratra atsinanana, delestazy, mety ho “black out” mihitsy vokatry ny fanagiazana na “requisition” rehefa aholanao ny entan'olona dia tsy mamatsy intsony izy. 1000 miliara Ariary be izao. Atsinanana, FR na “fonds routier”. Tsy hita ny 547 miliara Ariary. Tsy voaloa ny volan'ny mpandraharaha na “entrepreneurs”. Tsy misy sahy maka tsenam-barom-panjakana na “marchés publics” intsony. Atsimo atsinanana, sampona na “scandale” tao amin’ny “cour des comptes”, tsy hita ny 1881 miliara. Atsimo, CNaPS, potika ny rafitra momba ny fisotroan-dronono na “système des retraites” sy ny latsakemboka nataon'ny vahoaka ny sasany mandritry ny 40 taona. Atsimo andrefana, werawera, tsy misy hasiny intsony ilay tenin'ny mpitondra mivelona amin'ny makety. Andrefana, miady anatiny ao tsy ampy ny “gateau”. Ireo “base” nanohana toa mipatitaka fa tsy noraharahiana rehefa lany. Ny famaritam-pahefana koa toa mifangaro voraka tsy hay intsony ny asan'ny gouvernora, prefe, ben’ny tanana, depiote, minisitra fa dia mifanitsa-kitro ao. Avaratra andrefana, volamena, minisitra am-perinasa naverina amin’ny toerany tsotra izao no ahiahiana nangalatra volamena 36 kg. Eo afovoany ny olona tokony hiaro ny seza fiandriananareo, asainareo mandroaka maloto eo amin'ny tetezan'ny Bekiraro. Raha mba tsy nanaotao foana izao ianareo dia mba nanana hery niatrehana ny “crise conjoncturelle” na krizy nateraky ny ady eo amin’i Okrainina sy Rosia. Asa aloha raha hisy fahagagana fa kely ny finoako, hoy hatrany i Malama.
J. Mirija

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap