airtel

Politique

24-août-2021

Politique

Mahery Lanto Manandafy “Vao manomboka io ampamoaka amin’ny minisitra io”

Sample post image

Tena misy fanenjehana goavana mihitsy ao anaty governemanta: minisitra Andry Ramaroson, minisitry ny mponina Princia Soafilira tamin’ny resaka « clip »,

24-août-2021

minisitry ny rano Ladislas Adrien Rakotondrazaka fony niasa tany amin’ny BAD, minisitra Edgard Razafindravahy tamin’ny raharaha ara-barotra tany Maorisy Minisitry ny paositra Tahina Razafindramalo voalaza fa tanora TIM teo aloha, ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany Brice Randrianasolo izay niafara tamin’ny fametraham-pialana,… Tamin’ity herinandro tsy nisy andro iray ka tsy nisy dosie nivoaka, hoy ny mpakamakafaka politika Mahery Lanto Manandafy omaly hariva tao amin’ny Fahitalavitra Real TV Madagascar. “Tsy lavitra, tsy ny mpanohitra no nanao an’ireo fa avy ao anatiny ao. Izaho mieritreritra hoe: “force” avy ao anatin’ny fitondrana ihany io zavatra io, satria misy “frustrés” be dia be na ny ataontsika hoe any amin’ny depiote, na amin’ny bases TGV, CS ANR, PRO ANR,… satria tsy tafapetraka ny azy. Misy henoko tany ho any depiote izay akaiky ny mpitondra, niresaka tamin’I Fleury Rakotomalala hamoaka ireo dosie ireo, misy ihany koa mpanao gazety mirona makany amin’ny mpanohitra karamaina ihany koa hamoaka ireo dosie ireo. Misy “manipulation d’opinion” tena goavana be ao anatin’izao », hoy i Mahery Lanto Manandafy. Nilaza izy fa mbola tsy nipetraka akory io governemanta io, dia efa niteny fa hifanenjana be ny hery. “Mety tsy dia hateza ity satria be loatra ireo hery misy ao anatiny ihany miady. Ao anatin’ny fisasahan’ny fe-potoana iasana, kanefa ilay fahefana tsy mizara, ka asa fa eo isika mahita azy, arakaraka ny zava-misy », hoy I Mahery Lanto Manandafy. Nambarany ihany koa fa vao manomboka io, ary mbola tsy mivoaka daholo ny dosie rehetra, betsaka izay lasa izay, tsy maintsy mbola hisy dosie hivoaka. Isan’ny mbola tsy nivoaka izao ny an’ny Minisitra Paubert Mahatante, fa efa mikarokaroka any daholo izy ireo. Ireo olona vaovao tonga ao anatin’ny governemanta ankoatry ny minisitry ny lalàna sy ny asa sosialy Atoa Pierre Houlder izay sarotsarotra ihany ny hikasika azy, dia ho voakasika daholo, ho voafendraka daholo, ho voaloto daholo, raha ny nambarany.
TSY MIFANARAKA AMIN’NY SAFIDIM-BAHOAKA ?
Ny “représentativité démocratique » dia ny antenimieram-pirenena, ary nametraka tolo-kevitra ny vondrona parlemantera IRD, GPR,… ka inona tamin’ireny no notanterahin’ny Filoha fa iray ihany ny avy amin’io antenimiera io dia ny Dr Raymond? hoy I Mahery Lanto Manandafy. Tsy hay intsony hoe: iza izany no manao an’ireny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap