airtel

Politique

29-avril-2021

Politique

Maitre Olala “Manomboka tsapan’ny mpitondra fa ilaina ny mpanohitra”

Sample post image

Manomboka mahatsiaro tena ny mpitondra ankehitriny fa ilaina tokoa ny mpanohitra, hoy ny mpahay lalana, Willy Razafinjatovo na Olala,

29-avril-2021

 

 

 naneho ny heviny mikasika ny fanapahan-kevitra mandroso mihemotra noraisin’ny fitondram-panjakana momba ny resaka fampiatoana fandaharana politika amin’ny haino aman-jery tamin’ity herinandro ity. Ny mpanohitra no naneho hevitra fa tsy mety ireny, hoy izy. Ilay fihetsika maheno fitsikerana dia miantso ny mpiara-miasa hiaraka hanitsy izany dia efa fahendrena. Raha mpilelaka sy mpanasoaso azy foana no henoin’ny fitondrana dia tsy hisy zavatra hanjary eto fa ny eo ihany no ho eo. Ny lojika dia tsy maintsy ny mpanohitra no mitsikera ny tsy mety ao amin’ny firenena iray satria izay no asany. Ny fanapahan-kevitra toy ireny koa mba fara faharatsiny amin’ny alalana lalana fehizoro na “loi organique” fa tsy “décision interministérielle” toy ireny. Io resaka fanidiana ny sisintany nefa mbola misy fiaramanidina mitondra olona tonga io ihany koa miaraka amin’ny resaka fivezivezen’ny fiara fitateram-bahoaka izay misy omena tombony dia misy tsy avela miasa io koa dia endriky ny fitondrana misy eto daholo. Endriky ny fanavakavahana, tsy fananana hazon-damosina, tsy fisiana fanapahan-kevitra tena matotra. Matahotra ny frantsay ve satria ny filoham-pirenentsika sady Frantsay no Malagasy? Mila manitsy ny fomba fiasany mikasika an’io ny fitondrana, hoy hatrany ny fanazavany, raha tsy mitombona izany. Mbola manana 2 taona sy tapany hanitsiana ny tsy mety ny fitondrana, hoy izy.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Anio 16 aprily 2024 no hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na

Card image cap
16-avril-2024

Isan’ireo antoko nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika Otrikafo

Card image cap
16-avril-2024

Mbola misy ny antsojay amin’ireo tsy ao anatin’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana

Card image cap
16-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitetezana ireo kaominina mandrafitra ny distrikan’Avaradrano tanterahin’ireo Kandida Solombavambahoaka

Card image cap
15-avril-2024

Ny sabotsy 13 aprily teo tetsy amin’ny Espace Fenitra Merimanjaka no nitondrana am-bavaka sy nanolorana ofisialy

Card image cap
15-avril-2024

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Olympia Ampitatafika ny sabotsy

Card image cap