airtel

Politique

19-mars-2021

Politique

Maitre Olala “Tokony hampanao fitsapan-kevi-bahoaka ny filoham-pirenena”

Sample post image

Ny lalampanorenana no ambony indrindra amin’ny lalana rehetra misy eto amin’ny firenena, hoy ny mpahay lalàna,

19-mars-2021

 

 

 Willy Razafinjatovo na Maitre Olala, naneho ny heviny mikasika ny mbola tsy fivoahan’ny anaran’izay tokony ho filohan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana na HCC handimby ny filoha teo aloha, Jean Eric Rakotoarison. Voahitsakitsaky ny rehetra ankehitriny io lalampanorenana io ary ny mampalahelo dia manitsakitsaka azy matetika koa ny HCC teo aloha. Tsy fantatra hoe rahoviana no ho voatendry ny filohan’ny HCC vaovao satria tsy afaka hanome izany ilay mpitondra satria nisy lalana tokony narahana saingy tsy voaraka. Namoaka ny filohan’ny repoblika tamin’ilay hoe “décret pris en conseil de minisitre” fa foana manomboka amin’ny 12 martsa miaraka amin’ny filohan’ny HCC ny fotoam-piasan’ireo mpikamban’ity rafitra ity rehetra, izany hoe, izy 9 mianadahy. Tsy miteny izany anefa ny lalampanorenana fa izay voatondro sy tapitra fotoam-piasana dia soloina ary manao fianianana vaovao izay tafiditra eo ary manohy ny taom-piasana soloina ireo sasany tafiditra eo. Raha ohatra kosa ka amin’izao fotoana izao lazain’ny filoham-pirenena hoe foana daholo ny fotoam-piasanareo ka olona miisa 9 no indray tondroina sy fidiana dia tokony hanao fanitsiana na “amandement” ny lalampanorenana izy na hanao fitsapan-kevi-bahoaka hanovana ny lalampanorenana. Misy miteny moa amin’izao fotoana izao fa tsy mahita izay ilana ny HCC dia tokony amin’ny alalan’izay fanitsiana na fitsapan-kevi-bahoaka izay ihany koa no hanapahana izany, hoy hatrany ny Maitre Olala.


J. Mirija

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap