airtel

Politique

15-juin-2021

Politique

Maitre Olala “Tsy misy fanjakana eto”

Sample post image

Lasa toy ny fanatanjahantenam-pirenena mihitsy ankehitriny ny fanitsakitsahana lalampanorenana, hoy ny mpahay lalàna,

15-juin-2021

Willy Razafinjatovo na Maitre Olala. Be loatra ny ohatra mikasika izany. Tsy misy governora izany izao ao. Natao hampandrosoana ny fiainam-bahoaka sy ny firenena ny lalampanorenana. Tsy misy zavatra mahaleo tena eto amin’izao. Toekarena ve? Jereo izy io! Toy izany koa ny fitsarana satria tsabahan’ny mpanatanteraka hatrany. Apetrako ny fanontanian’ny filoham-pirenena hoe misy fanjakana ve eto? Hoy aho hoe tsy misy fanjakana eto andriamatoa filoha satria ianao ihany no eo ka jereo ny ataonao! Manao ahoana ny fiantraikany any amin’ny vahoaka? Tsy misy, aotra. Ny vahoaka anontaniana fa tsy ireo mpilelaka! Henoy ihany ny mpanohitra fa ireo no afaka manitsy ny dia. Raha resaka fahaleovantenan’ny fitsarana ao anatin’izao faha 61 taona hankalazana ny fahaleovantenam-pirenena izao indray no resahana dia sady malahelo no miondrika aho fa menatra. Ao amin’ny fiainako manontolo izany ary zavatra iadiako isan’andro dia ny hoe fahamarinana, rariny sy hitsiny, anaty lalana no tokony hivoahan’ny didim-pitsarana. Tsy maintsy hitsabahan’ny governemanta sy ny namany anefa io fitsarana io. Isan’andro ataony fiasana ka toy ny tsy misy fa hoe azy io. Izay tiany hanaovana azy dia voatery manaraka hatrany ilay mpitsara satria matahotra sao hafindra any amina toerana misy dahalo na sahala amin’izany. Fantatry ny mpanatanteraka angamba ny atao hoe “séparation de pouvoir”. Lazaina fa ny mpitsara foana no ratsy saingy aza tsabahana aza ny asany dia ho hita eo na marina tokoa izany na tsia, hoy hatrany izy.

 J. Mirija

Legende : Maitre Olala

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap
19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap