airtel

Politique

18-févr-2021

Politique

Maka Alphonse - CFM « Hampihavana ny mpitondra sy mpanohitra izahay »

Sample post image

Miha mafana saika tahaka izao no nitrangan krizy poltika, manao antso avo

18-févr-2021

 

 

amin’ny vahoaka sarotra ny raharaha tsy tombotsoantsika ny hidirana amin’ny krizy, ny mpanao politika mba hijery ny tombotsoa ambonin’ny firenena, hoy ny Flohan’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy na ny CFM Atoa Maka Alphonse omaly . Tao anatin’ny 10 andro no efa nisy ny fihaonana mivantana nataon’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy tamin’ny solontenan’ny ankolafin-kery eto amin’ny firenena. Ho an’ny mpanohitra dia nahitana an’i Alain Andriamiseza sy Fidèle Razarapiera ary ny avy amin’ny Fitondram-panjakana izay nosolon’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny solontenan’ny Filoham-pirenena ny avy amin’ny Fanjakana, raha ny fanazavan’ny filohan’ny CFM omaly. Nisy ihany koa ny fihaonana tamin’ny FFKM. Hatramin’izao dia nambarany fa velom-panantenana satria na ny andaniny na ny ankilany dia vonona hifampiresaka. Ny hirariana dia hifampiresaka amin-kitsim-po tsy misy fihatsarambelatsihy, hoy i Maka Alphonse. Mbola tsy misy kosa ny fandaharam-potoana mazava amin’ny fampihaonana ny mpitondra sy ny mpanohitra na efa samy noraisin’ny CFM aza izany ny andaniny sy ny ankilany. Anio raha tsy misy ny fiovana no voalaza fa hanao ny tatitry ny dingana ny CFM. Asa ihany koa na hanova zavatra ato anatin’ny 48ora farany tsy higadonan’ny sabotsy 20 febroary ambaran’ny Miara-manonja sy ny depiote TIM fa hihaviany eny Ambohijatovo ny resaka fifampiresahana sy fanelanelanana mety hipoitra ?

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap