airtel

Politique

18-févr-2022

Politique

Maka Alphonse - CFM « Tsy misy fampandrosoana raha tsy misy fitoniana »

Sample post image

Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharam-pirenena eto Madagasikara sy ny olana iainan’ny CFM ny filohan’ny filankevitra ny fampihavanana Malagasy Atoa Maka Alphonse.

18-févr-2022

Nanambara ity filoha mpitarika ny fampihavanana eto amintsika fa anisan’ny rafim-panjakana misahana ny fitoniana ara-politika sy toe-karena ny CFM izay hanamafisana ny firaisam-pirenena ilaina amin’ny fampandrosoana vanona ny fitoniana amin’ny ankapobeny.
MBOLA TSY AMPY OLONA
33 ireo mambra ny filan-kevitry ny fampihavanana Malagasy izay mitsinjara isam-paritra ary misy koa ny mpikambana tendren’ny filoham-pirenena izay tsy nivoka hatramin’izao ny lisitr’izy ireo. Tsy ampy ireo mambra ny CFM hoy ny filoha Maka Alphonse raha io isa nojerena satria raha voarakitra ny lalàna mifehy azy ireo andininy faha 6 dia tokony hisy mambra ny CFM isakny ny faritra sy ny kaominina saingy tsy mbola voatendry izy ireo hatramin’izay efa-taona niasan’ny filan-kevitra fampihavanana Malagasy. Anisan’ny olana ny CFM koa ny tsy fampihan’ny fitaovana entina manatanteraka ny asa toy ny fiara ary indrindra tsy fampianan’ny teti-bola hetsehin’izy ireo manatanteraka ny asa rehefa mivoka ny an-drenivohitra. Anisan’ny olana goavana ihany koa hoy hatrany ny filohan’ny CFM tsy fisian’ny vola fanoherana ireo olona niharan-boina teto amin’ny firenena izay voalazan’ny lalàna mazava ny fisitrahan’ireo izay voakasika izany ary efa betsaka ny antontan-taratasy fitaraina amin’ny fanoherana.
Legende: Ny biraon’ny filan-kevitry ny Fampihavanana Malagasy etsy Ampefiloha

SAROTRA HAMPIHAVANINA
Tsy afaka mihetsika izahay hoy ny CFM raha tsy voavaha io teti-bola ampiasaina sy ny fanoherana. Fampihavana ara-moraly Tsy nihambahamba ny filohan’ny CFM Maka Alphonse nilaza fa sarotra hampihavanina isika Malagasy satria betsaka ny mahay miatsara velatsia ka hafa ny zavatra lazaina aminy nefa mifanohitra amin’izay ny ataony hoy hatrany ny fanazavany. Tsy mihatsara manatanteraka ny asany amin’ny fampihavana anefa ny filan-kevitra fampihavanana Malagasy na maro aza ny fanakihanana azon’izy ireo eo am-panatanterahana ny asa nampandraiketina azy.

MALALAKA NY ASAN’NY CFM
Tsy mbola nahazo fandrahonana sy baiko avy any ivelany izahay hoy Maka Alphonse teo ampanatanterahina ity asan’ny fampihavanana ity na avy amin’iza na iza. Ireo tsikera no tena betsaka raha ho an’ny CFM manokana indrindra rehefa misy raharaha mafana eto amin’ny firenena. Maro anefa ny fitarainana voaray eo am-pelatanan’ny filan-kevitra ny fampihavanana Malagasy fa tsy maintsy ampanarahan-dalàna hatrany izany.
FANATANTERAHINA NY FIHAVANAM-PIRENENA
Tsy misy ny mihevitra hitondra fihemorana ity firenena ity ireo mpanao politika rehetra raha mikasika i Madagasikara hoy ny CFM fa mifanohitra amin’izany avokoa ny tanjona rehetra tiana ho tratrarina dia ny fampandrosoana. Ny fitoniana irery ihany no singa iray ary lehibe ao anatin’ny fisian’ny fampandrosoana raha tsy izay dia manjaka ny korontana . Anisan’ny zava-dehibe ny fametrahana ny fitoniana ka tsy mitsahatra miantso izany hatrany izahay hoy ny filohan’ny CFM. Tohizana hatrany ny asan’ny fampihavanana izay tsy mora no tsy vita olona irery.
TOMPON’ANDRAIKITRA NY TSIRAIRAY
Ilaina ny fahatsapan-tena tsirairay ary indrindra tsy hanomezana vahana ireo mpihatsaravelatsihy. Be loatra ny fitiavan-tena sy fireharehana na amin’ny mpitondra na avy amin’ny mpanohitra ka sarotra ny fampihavanana saingy amin’ny alalan’ny fifampiresahana no ahafahana mba tsy ho betsaka ny fitiavan-tena. Samy tompon’andraikitra amin’ny fampihavana ny tsirairay hatramin’ireo mpitondra fivavahana sy ny ray aman-dreny ara-drazana. Asan’ny CFM Misy ireo dingana efa vita tamin’ny asan’ny CFM fa mbola betsaka kosa ireo no tokony atao. Raha ny asa efa vitan’ny CFM nandritry ny efa-taona niasana dia efa maro no nahatratra ny tanjona saingy ny fidiran’ny aretina coronavirus teto Madagasikara dia isany sakana tsy nahavitana ny asa. Raha tsiahivina dia farany taona 2017 no nanomboka nandray ny asa ireo mpikambanan’ny CFM ary ny 21 aprily 2019 izay hetsik’ireo solombavabahoaka 73 teny amin’ny kianja 13 mey izay efa niditra an-tsehatra ny CFM nandamina ny raharaha izay saika nihitatra ny korontana teto amin’ny firenena ary nahafatesana olona . Izahay CFM no niantso ny mpanao politika tamin’ny alalan’ireo ray aman-dreny mpitarika ny antoko politika hifampidinika niaraka mba tsy hisian’ny ra mandrika. Ny filan-kevitra ny fampihavanana Malagasy no nanao ny tondrozotra arahain’ireo kandida izay natao sonia hoan’ireo kandida nandray anjara tamin’ny fifidianana. Ara-moraly sy etika no nanaovana azy ireny hoy hatrany Maka Alphonse. Mitady ny fomba rehetra afahana mametraka ny fitoniana hatrany ny CFM manoloana ny toe-draharaham-pirenena izao.
FIFIDIANANA LAVITRY NY KORONTANA
Fifidianana tsy hisy korontana Manahy amin-ny toe-draharaham-pirenena misy amin’izao ny CFM satria ny raharaham-pifidianana ihany no miteraka krizy eto amin’ny firenena. Voatery niparitaka manerana ny nosy ny CFM amin’ny fametrahana ny fifampiresahina ny hery velona rehetra isakan’ny distrika sy ny faritra izay tsy hanavana sarang’olona hatramin’ny fiarahamonim-pirenena. Takiana’ny CFM koa ny hisian’ny fifidianana madio sy mangaraharaha ary ekeny rehetra ka nisy mihitsy hoy Maka Alphonse ny fifampidihana eo amin’ireo rantsa mangaika voakasika ny fifidianana hatramin’ny CENI izay ahafahana mametraka ny ho fifidianana lavitry ny korontana no hiseho amin’ny taona 2023. Efa ao anatin’ny manatanteraka izany ny CFM amin’izao ary efa nisy ny lohahevitra noraisina hoe ny soatoavina Malagasy izay hanjakan’ny fitoniana. Kendrena mba tsy ho fifidianana hitera-doza no hiseho eto amin’ny taona ho avy hoy ny filan-kevitra ny fampihavanana Malagasy. Miainga avy amin’ny finiavan’ny besinimaro irery ihany no ahafahana mametraka ny fitoniana eto amin’ny tanindrazana iombonana, hoy ny filohan’ny CFM Maka Alphonse.
Legende: Maka Alphonse, filohan’ny Filan-kevitry ny Fampihavanana Malagasy
Tolin
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap