airtel

Politique

20-sept-2021

Politique

Manampahefana Malagasy Mitombo isa ireo manao teatra

Sample post image

Efa hatramin’ny tetezamita farany teo no nampalaza izao fitondrana izao amin’ny fanodinana saim-bahoaka na ny fanaovana “diversion”.

20-sept-2021

Teo ny resaka baomba teny Masay izay nahatonga solon’anarana jeneraly malaza iray mihitsy hoe “jeneraly baomba”. Na ireo tafika iraisam-pirenena sy tafika matanjaka teto amin’izao tontolo izao aza niaiky mihitsy tamin’ny fotoan’androny hoe mafy ry zareo any Madagasikara any fa fotoana vitsy dia sarona hatramin’ny olon-dratsy nikonokonona hanapoaka baomba sy ny mombamomba ilay baomba sy ny saika natao taminy rehetra. Asa koa moa tamin’izany na tena fahagagana na fanesoana no nataon’ireo naneho hevitra toy izany tamin’izany fotoana. Nandeha koa ny fahaverezan’ny satroboninahitry ny mpanjaka. Nolazaina fa efa fantatra ireo naka azy iny ary norahonana hanatitra izany moramora saingy iarahan’ny rehetra mahalala ny tohiny hatramin’izao taona 2021 izao fa tsy mbola tafaverina izany satroboninahitry ny mpanjaka izany. Nony niteraka ahiahy maro indray moa tao anatin’izao taom-pitondrana vaovao izao ny isan’ireo matin’ny Coronavirus tany am-piandohan’ity valanaretina ity teto amin’ny firenena dia nahita izany nanangana Colisée tao anaty rova izany ny fitondrana ankehitriny na dia efa fotsy rora aza ny ankamaroan’ireo manam-pahaizana momba ny vakoka isan-tsehatra na mpahaiolona io na mpahaitantara na mpahaigolantany, eny, mpahaivakoka mihitsy nilaza fa tsy manana rohy ara-tantara amin’ny sivilizasionina grika ny sivilizasionina Malagasy. Nandalo teo daholo ny raharaha volamena 73,5kg, ny “doublon”, ny “écran plat”, ny “bonbon sucette” fa dia nahitana resaka hanodinana saim-bahoaka hatrany mba tsy hifantohan’ny be sy ny maro tamin’izany resaka rehetra izany. Mafy dia mafy ankehitriny ny mamafa ny akon’ny raharaha minisitra mifanakaiky loatra amina mpanakanto iray sy ny resaka poa-basy teny Ambatobe dia nisy indray ity resaka volamena tsy hay na mody niapangana na tena niapangana teratany karana sy depiote ity. Film sy sinema moa no tena matetika hamaritan’ny mpanara-baovao ireo tranga fa rehefa dinihina ihany koa ny famaritana ny atao hoe tantara an-dapihazo na teatra dia hita ho mitombo ireo manam-pahefana Malagasy manao teatra ankehitriny. Tsikaritra tao anatin’ireo tranga tato ho ato mihitsy fa voahaja ny fenitra manome ny hoe “Fahaizana mampiseho amin’ny fomba manaitra sy toy ny tena izy ny tranga iray.” Izay moa no famaritana ny atao hoe teatra. Heverina tsinona fa raha tsy teatra ireo tranga rehetra voalaza rehetra teo dia efa fantantsika “mazava” amin’izao fotoana izao hoe nanao ahoana ny tena niafaran’ireny rehetra ireny, inona daholo ihany no tena marina momba azy ireny fa tsy hatramin’izao mbola misy mitaky foana hoe avoahay ny tena marina.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap