airtel

Politique

14-sept-2022

Politique

Mandrangaranga hery ny volomboasary Tena matanjaka sa manao tsipaky ny miala aina ?

Sample post image

Manao ranolava ny hetsika sy fampalazana tena ara-politika ataon’ny Filoham-pirenena ankehitriny, izay toa efa endrika propagandy mialohan’ny fotoana. Fatratra ny fiezahana haneho an-tsary sy an-tserasera fa tena mbola mamim-bahoaka sy mbola matanjaka,

14-sept-2022

hoenti-manomana ny sain’ny rehetra fa lojika ny mbola ho fandresena amin’ny 2023. Olona handeha hihoby ny Filoha aza taomina amin’ny kamio avy any amin’ny toerana hafa, ka ny hita tatsy ihany no mety ho hita aroa, raha ireny tany Ambilobe sy ny Vohémar ireny. Tsy ho tahaka izany no endriky ny any anaty vata fandatsaham-bato, raha tsy hoe: ny olona any Ambilobe handeha hifidy fanindroany any Vohémar ary ny any Vohémar ho any Ambilobe, ohatra,, saingy efa nalaza hatry ny ela moa ity resaka “doublons” ity. Arakaraka ny hampalazana tena etsy sy eroa no toa vao mainka mampikorosy fahana ny firenena, ka azo hadika ara-politika ho tsipaky ny miala aina ihany ny fiezahana mampiseho hery ara-politika etsy sy eroa. Io nivoaka io indray, ohatra, ny tondro momba ny fampandrosoana ny isam-batan’olona na IDH izay nametraka ny laharan’I Madagasikara ho laharana faha-173 amin’ny firenena 191. Ny resaka tahan’ny olona mahantra fadiranovana nitombo 7% hatramin’ny nitondran-dRajoelina satria niainga 73% no efa 80% mahery. Ny Antoko MMM (Malagasy Miara-Miainga) izay avy tao anaty fitondrana no niala aza no efa vaky vava fa raha 4,4% ny tahan’ny fiakaran’ny harin-karena ny taona 2021, dia 2,8% no eritreretina amin’ity 2022 ity, raha 75% no efa 80,2% ka nihemotra izany ny firenena, ary tsy afa-miala amin’ny Fanjakana na inona na inona holazaina, hoy Atoa Hajo Andrianainarivelo. Tsy misy zavatra voafehy: orinasam-panjakana potika, volan’olona tsy voahefa, kolikolin’ny manam-pahefana mirarakopana, tsy fandriampahalemana, vidim-piainana midangana, toekarena mitotongana, firenea latsaka an-davaka.
HO SAROTRA AMINY NY 2023
Mandainga raha hiteny fa tsy nisy zava-bita, fa tsy araka ny nampanantenaina, tsy araka ny filam-bahoaka,… Betsaka no tofoka sy leo fampanantenana poakaty sy tsy fahaiza-mitantana, ny tao anaty fitondrana aza efa niaiky, ny ao betsaka no miomankomana hangoron’entana fa ho ho sarotra ny raharaha,... Raha fifidianana madio, azo antoka 90% fa tsy ho lany intsony izao fitondrana izao. Ny sary politika sy ara-jeopolitika misy ankehitriny, sarotra ny toeran-dRajoelina. Ny any amin’ny tapany Atsimo maro no diso fanantenana: raharaha Ikongo, fisiana kandida matanjatanjaka, fampanantenana maro tsy tanteraka,… Ny any Avaratra ao anatin’ilay antsoina hoe: “triangle du Nord” diso fanantenana nampanantenaina poakaty fa hakarina avo telo heny ny vidin’ny lavanila, ny ilany antsinanana lasa mpifandramatra amin’ny volomboasary ny mpitarika politika isan’ny manana vatom-pifidianana toa efa mipetraka any,… Ny ato afovoany moa efa hatrizay no tsy nampandany azy. Hanao izay faraheriny amin’ny fampiasam-bola, fampiasana rafitra, mety hatramin’ny fampiasana basy ka ahiana ny krizy lalina. Tsy tongatonga ho azy ireny fanambaran’ny be galona tsy rony tsy ventiny eo, dia hoe: tsy manaiky fanonganam-panjakana ireny, kanefa tsy misy hetsika politika, tsy misy na inona na inona. Iny efa naneho ny ahiahiny iny Vondrona Eoropeanina momba ny rafitra ara-pifidianana. Raha toa ka mety mbola ho tafapetraka eo aza I Andry Rajoelina amin’ny 2023, sarotra ny hahatongavany 2028.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap