airtel

Politique

14-nov-2025

Manizingizina ny fitondram-panjakana

« Tsy valifaty politika fa ady amin’ny tsy maty manota ! »

Sample post image

Manamafy ny Fitondrana ankehitriny

14-nov-2025

eo anatrehan’ireo raharaha goavana manodidina ny kolikoly mahasaringotra tompon’andraikitra na mpitantana firenena teo aloha voasaringotra, fa fandraisana andraikitra no misy fa tsy valifaty politika velively. « Foto-kevitra sy lalan-kevitry ny tolona dia ny hoe tsy misy intsony ny tsy maty manota, ka fandraisana andraikitra no misy. Tsy resaka valifaty politika !», ny Mpitondra tenin’ny governemanta sady Minisitry ny serasera Gascar Fenosoa omaly. Nampahatsiahy fa izay vosambotra tsy midika fa meloka, fa ny Fitsarana ihany no afaka manameloka na tsia, fa misy fanazavana ilaina amin’ireny olona ireny. Ireo olona rehetra voakasika amin’ny CNaPS tsy maintsy ampanantsoina eny amin’ny fitsarana, fa tsy resaka valifaty. Ny resaka fisamborana tao amin’ny Jirama dia mandeha ny fifampiresahana ka horaisin’ny Filoham-panjakana ireo mpitarika sendika. Mifanohy sy manamafy ny fanambaran’ny Fiadidian’ny Primatiora tarihin’ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo io manoloana ny ny toe-draharaha ankehitriny sy ny fitakian’ny vahoaka amin’ny famerana ny tombontsoa azon’ireo tomponandraikim-panjakana sy politika ary amin’ny fanenjehana ny tsimatimanota io, izay nanomezana mazava ho an’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana. Tafiditra ao anatin’ny politika fototra napetraky ny Governemanta ho fampiharana ny Fanavaozana marina sy ny fanamafisana ny mangarahara amin’ny fitantanana ny raharaham-bahoaka. Tsy maintsy hentitra ny fampiharana ny lalàna, tsy misy fanavahana toerana na satan’ny olona,... Manaisotra ny zo tsy ho azo henjehina na «immunité » amin’ireo tranga tsy mifandray amin’ny andraikitra na asam-panjakana, manafaingana ny fitsarana,… Manomboka misy manapongatra sy ahitana ady ara-tserasera na « guerre de communication » ihany koa moa ankehitriny ireo dosie hafa sy goavana nahasaringotra olona ambony maro tany amin’ny Fanjakana tany alohan’ilay niongana teo ka asa na hisy ihany koa ny fitohizan’ireny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

04-déc-2025

Maro no miha resy lahatra ankehitriny

Card image cap
04-déc-2025

Iray volana latsaka taorian’ny fanendrena

Card image cap
04-déc-2025

Voatendry ho mpanolo-tsaina maharitry

Card image cap
04-déc-2025

aloha noho ny fifidianana tsy azo antoka…

Card image cap