airtel

Politique

23-mai-2022

Politique

Marc Ravalomanana “Ampy izay ny fandeferana!”

Sample post image

Hanangana firenena vanona isika, tsy ekena intsony ny fahoriana mianjady amin’ny Malagasy”, hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana nandritra ny fameloma-maso ny TIM boriborintany voalohany teny amin’ny Live Hotel ny sabotsy teo.

23-mai-2022

Tsy amboarina ny làlana, tsy ariana ny fako, miaina amin’ny rano maloto. Tsy ho avy eo angaha isika, tsy ho tonga eo angaha isika. Tena mitaraina sy mitalaho ny boriborintany rehetra, ny Malagasy rehetra,… samy maneho fa tena tsy rariny intsony, matin’ny hanohanana,… hoy hatrany izy. Notsipihiny fa tsy misaraka izany ny mpanohitra ary iray ny TIM. “Manome toky aho, manome toky isika fa tsy havelantsika intsony ity. Izay miomana ny ho fetsifetsy sy hamitapitaka eo, hangala-bato eo, dia aaaaa! Azafady fa samy mahay isika… Tsy rariny loatra ny fanitsakitsahana lalàna. Fanajana ny andrim-panjakana no nandeferako. Ampy izay, misy fetrany ny fandefarana, rehefa tapitra ny fandeferana dia ampy izay, afaka adidy amin’ny fantana isika”, hoy i Marc Ravalomanana, izay nanipika fa rehefa manitsakitsaka ny lalàmpanorenana dia miala! “Zero ny zavatra azon’ny boriborintany voalohany tamin’ny fitondrana tao anatin’ny roa taona fa tsy mba nisy zavatra nivaingana. Zavatra simba no betsaka toy ny làlana 67Ha, Tsaralalàna, Faravohitra, Andavamamba, Manarintsoa, Ankasina, Andohatapenaka,… 4 taona izy izao no eo tsy mahavita na inona na inona ka inona no antenaintsika amin’izay herintaona hitondrany eo sisa. Tsy misy na inona na inona, tsy misy antenaina”, hoy kosa ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Nitondra hafatra mivaivay ho an’ny minisitry ny asa vaventy Atoa Gerry Hatrefindrazana, izay niantso ny tsy hamelana ny mpanohitra hitety faritra izy. “Aza manao ririnina tsy tsaroana, nanao zavatra tahaka izao ianareo tamin’ny ianareo nanohitra ny fitondrana teo aloha. Tahotra no lehibe indrindra satria minisitra tsy mahavita làlana, matahotra mafy ny ho hita ny tsy fahombiazan’ny tsy fahavitana làlana manerana ny Nosy. Lazaina fa sakanana tsy hanao ny asa, ka roa taona izahay nangina tsy nihetsika fa ianareo mihitsy no tsy alehany sy tsy mahavita azy. Tsy misy hidiran’ny mpanohitra, olona tsy nitondra 13 taona fa naonganareo, kanefa mbola henjehina hatramin’izao,… Aza adino fa depiote ianao taloha, tsy miova ny lalàmpanorenana ao anatin’ny andiany faha-14 dia milaza fa ny olona na vondrona nahazo faharoa nahazo vato be indrindra tamin’ny fifidianana solombavambahoaka no lehiben’ny mpanohitra,… Ny filohanareo izay nolanianareo tamin’ny “doublons” sy ny filohanay nolanianay tamin’ny vato ara-dalàna, dia nanaiky mazava i Andry Rajoelina fa Atoa Marc Ravalomanana no ho lehiben’ny mpanohitra raha izy no lany, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa nampahatsiahy sady tsy nitsitsy fitenenana.


Tsikaritra ny sabotsy teo ihany koa fa iray ihany ny antoko Tiako i Madagasikara na dia teo aza ny resaka sy adihevitra tetsy sy teroa momba ny miara-manonja.Niaraka teny amin’ny Live Hotel tamim-pitsikitsikiana sy tao anatin’ny fihavanana tanteraka ny TIM, ka aza dia alefa lavitra loatra ny eritreritra, hoy izy ireo. Nanambara koa izy ireo fa reraka foana ny rivotra raha hanongotra vato milevina. Adalana ny an'ny rahona raha hanova ny lokon'ny lanitra. Sasa-poana raha mihevitra ny faharavan'ny antoko Tiako i Madagasikara.
Toky R sy J.Mirija
 

 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap