airtel

Politique

31-mai-2022

Politique

Marc Ravalomanana “Atambaro ny hery hanoherana ny fitondrana jadona”

Sample post image

“Efa Fanjakana jadona no misy eto, ary raha mbola ireo mpitondra tsy mahita vahaolana sy maneritery ny fahafahana maneho hevitra ireo no eto tsy misy antenaina intsony.

31-mai-2022

Mila firenena vanona, miahy ny vahoaka, mahalala ny laharampahamehana” hoy i Marc Ravalomanana omaly. Nanao antso avo miantefa amin’ny vahoaka ny Antoko TIM tarihiny io omaly alatsinainy 30 may 2022 io fa efa Fanjakana jadona tsy azo antenaina intsony io ka nanentanany ny antoko politika rehetra, ny fiarahamonim-pirenena, ny olom-pirenena rehetra hanohitra ny fametrahana ny jadona eto amin’ny firenena. “Aoka tsy avela hilentika ao anatin’izao fahoriana mihoampampana sy tsy rariny atao azy izao ny Malagasy”, hoy izy. Niantso ny mpitandro filaminana, miaramila, zandary ary polisy hijoro ho an’ny vahoaka sy ny tanindrazana amin’izay tokoa fa tsy hanaiky ho atao fitaovana politikan’ny mpitondra intsony. Mandalo krizy ara-toekarena sy ara-tsosialy tsy mbola nisy toa azy ny firenena, izay mahatonga ny ankamaroan’ny mponina hiaina ao anatin’ny fahantrana lalina. Manjaka ny tsy fandriampahalemana, na an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra, ary tsy misy vahaolana mazava atolotry ny fanjakana amin’izany rehetra izany. Io fahantrana ankapobeny io, dia vokatry ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fahombiazan’ny fitondrana ankehitriny, hoy ny fanambarana. Ny laharam-pahamehan’ny fitondrana anefa dia ny fandrarana ny antoko TIM tsy hanao ny « redynamisation » na ny fameloma-maso ny antoko any amin’ny Faritra, toy ny niseho tany Antsirabe ny sabotsy 28 mey teo, ankoatra ireo maro hafa izay notanisainy toy ny fankalazana tsingerin-taona nahaterana tany Toliara, ny sakantsakana tamin’ny fihaonana tany Imerikasinina, ny fisamborana teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, ny fandefasana miaramila mirongo basy hatrany am-piangonana tany Soavinandriana,... Fanitsakitsahana ny lalàna iraisam-pirenena io fandrarana io, indrindra ny Fanambarana Iraisam-pirenena momba ny Zon’olombelona sy ny Fifanekena Iraisam-pirenena Momba ny Zo Sivily sy Politika (Pacte International Relatif aux Droits Civils et Droits Politiques), izay nankatoavin’i Madagasikara tamin’ny 1971, hoy i Marc Ravalomanana. Nampahatsiahy ihany koa, fa miantoka ny fahalalahana maneho hevitra ao amin’ny andininy faha-10, ary ny “zo hivezivezy malalaka manerana ny tanin’ny Repoblika” ao amin’ny andininy faha-12.

TARATRY NY FIFIDIANANA TSY AZO ANTOKA
Ahafahana milaza sahady fa tsy azo antoka ny hisian’ny fifidianana malalaka sy mangarahara, ary eken’ny rehetra io zava-misy ankehitriny io, hoy ny TIM. Efa mipetraka avokoa ny zavatra rehetra, hanerena ny fandresen’ny kandidam-panjakana amin’ny fifidianana ho avy. Araka izany, nanameloka mafy ny fanitsakitsahana ny zo fototry ny antoko TIM sy ny antoko mpanohitra amin’ny fikarakarana fivoriana politika am-pilaminana izahay. Nanameloka ny fanararaotam-pahefana sy ny ramatahora ataon’ny fitondrana amin’ny mpanohitra sy ny olom-pirenena tsy mitovy hevitra. Nandefa taratasy miantefa any amin’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena eo anatrehan’ny fanitsakitsahana ny zo fototra maha olona mihatra aminy sy mpiara-dia aminy. Nanamafy noho izany i Marc Ravalomanana, fa mitaky fikaonan-doha andraisan’ny herivelona rehetra. . Tsy vitan’ny gisitra amin’ny fahantrana, fa tena gisitra amin’ny fanajana lalàmpanorenana intsony, ary tsy misy antenainaina amin’ireo, tsy mihemotra isika amin’ny fanavotam-pirenena isika, mamadika tanteraka ny vahoaka Malagasy raha mijanona hatreo, hoy i Marc Ravalomanana nanamafy sy naneho fa manatsara ny paikadiny ny mpanohitra. Hanao ahoana ny tohiny?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap