airtel

Politique

26-févr-2021

Politique

Marc Ravalomanana “Atsaharo ny fanenjehana sy ny sakantsakana”

Sample post image

Tsy haiko ny hangina amin’izao fahoriana lehibe mihatra amin’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy izao,

26-févr-2021

 

 

 

 hoy i Marc Ravalomanana omaly, rehefa tsy re tao anatin’ny fotoana naharitra. Nambarany fa tena tsy mendrika ny Malagasy intsony izao fahoriana sy fahantrana izao, ary maro ny fitarainana voarainy. Amin’ny maha Raiamandreny sy filohan’ny mpanohitra ahy, dia tsy afaka ny hangina ihany koa amin’ireny zava-nitranga tamin’ny sabotsy 20 febroary ireny, hoy ity Filoha teo aloha ity. Tohina ny foko nahita ireo olona tsotra 11 mianadahy mianaka nosamborin’ireo mpitandron’ny filaminana ary nalefa nogadraina kanefa dia tsy nisy heloka vitan’izy ireo na fandikan-dalàna nataon’izy ireo. Nosamborina izy ireo satria nanao akanjo mena. Tsy misy lalàna eto Madagasikara nametra ny akanjo azo hanaovan’ny Malagasy tsirairay kanefa dia izany no antony nisamborana azy ireo, hoy izy. Naneho fa gaga tanteraka nahita ny fanaparam-pahefana nataon’ny mpitondra fanjakana tamin’ny alalan’ireo miaramila, zandary, ary polisy marobe nirongo fitaovam-piadina mahery vaika. Endriky ny didy jadona ireny ary midika avy hatrany fa maty tanteraka ilay demokrasia vao nanomboka nitsiry teto amin’ny firenena. Voahosihosy ny fahafahana maneho hevitra sy fahafahana mivezivezy izay ary ny zon’olombelona arovan’ny lalampanorenana. Mba nieritreritra tsara ve ireo mpitondra raha nandray ireny fanapahan-kevitra ireny ? Hoy izy. Hita fa mbola tsy ao amin’ny mpitondra mihintsy ilay atao fahaiza-mihevitra ara-toekarena na « sens de l’économie » eo amin’ny fanapahan-kevitra raisina izany. Ambonin’izany dia ny hitan’ny rehetra hatramin’ireo vahiny dia ny didy jadona izay mitondra henatra ho an’ny firenena.

ATSAHARO

Mitaky ny fanatsahana ny fanenjehana sy ny sakantsakanana ary ny famoahana tsy misy fepetra ireo nosamborina i Marc Ravalomanana, mitaky ny fanatsaharana ny fanenjehana ireo mpitarika ny miara-manonja, ny fanatsaharana ny gafy amin’ny haino aman-jery MBS. Na dia ireo masoivoho vahiny miasa eto amintsika aza dia nambarany fa variana mihintsy ary mametra-panontaniana raha toa ka mitondra fandrosoana ho an’ny firenena izao fihetsika mpitondra izao izao. Atsaharo ny fitsikolovana ataonareo manodidina ny trano fonenako fa tsy izany no laharam-pahamehana takian’ny vahoaka aminareo. Latsaka ankaterena ny firenena ary tena sahirana ny vahoaka ny vahoaka Malagasy. Ny fampandrosoana ny firenena dia ny fahaizana mijery sy mamaha ny olana izay tena maharary ny vahoaka Malagasy fa tsy ny fampiasan-kery, hoy ity Filoha teo aloha ity.

 

Nanitrikitrika i Marc Ravalomanana fa diso be ny filazana fa miaro azy ireo miaramila alefa eo amin’ny tranony. “Fihatsarambelatsihy izany, alainareo sary ny olona mivoaka sy miditra manala-baraka ny tenanareo ianareo raha izany. Tsy misy manao izany eto ambonin’ny tany, ary ianareo mba manamboninahitra mba efa tany ivelany izany”, hoy izy.

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap