airtel

Politique

15-janv-2021

Politique

Marc Ravalomanana «Avoahy ny marina raha sahy ianareo»

Sample post image

« Manaraka akaiky ny raharaham-pirenena aho, ary tena mifandray tsy tapaka mihitsy amin’ireo namana,

15-janv-2021

 

 

 

mpiara-miombon’antoka amintsika, tsy manary ary tsy manadino atsika izy ireo, fa miasa amin-kitsim-po, mangetaheta ny hahalala ny zava-misy marina aty Madagasikara », hoy i Marc Ravalomanana omaly nandrindra ny fihaonany tamin’ireo mpikatroka ao anatin’ny RMDM teny Bel’Air. Nambarany fa manontany azy ny any ivelany mikasika io volamena 73,5kg tratra tany Afrika Atsimo io. Sambany i Marc Ravalomanana niresaka an’io lohahevitra io. Betsaka ny famadihan-dresaka, fa tsy matahotra na iza na iza isika rehefa milaza ny marina ary ny marina marina foana, hoy i Marc Ravalomanana. Nambarany fa ahilika fa tondroina ho tompon’antoka ny lohandohan’ny mpisorona ao anatin’ny mpanohitra . « Lazaivo fa ao ambadik’io indray izahay. Raha ohatra ianareo sahy dia avoahy ny marina, fa tanindrazana iombonana ity. Efa fantatra, fantatray hoe iza no tompon’io. Ianareo indray no mandefa solontena any Afrika Atsimo. Tsy mitovitovy velively ny fomba fitsarana aty ny any, nipetraka tany aho ary mifampiresaka amin’izy ireo. Tena mahamenatra, manala baraka, ianao manao zavatra tsy mety indray, ianao no tokony hijoro hoe mangataka izahay ry Afrika Atsimo hoe faizo ireo, fa tsy ianareo indray ianareo indray no hoe haka azy any. Miisa 8 ny ireo lafin-javatra iraisana ao amin’ny SADC, toy ny fampianarana, fitsarana, andriampahalemana, lalam-barotra,… Raha vao misy firenena anankiray mpikambana ao amin’ny Vondrona SADC ka misy tsy mety ny ataony, dia ny fitsaran’ny SADC no tokony ampiharina, fa tsy hisolantsolana any dia halefa any avokoa izay olona heverina ho manam-pahaizana. Henjana ny fifampiraharahana ohatr’izany, ka tena mahamenatra. Tandremo tsara, eritrereto tsara, saintsaino tsara fa ny manenjika sy manaratsy ny olona milaza ny marina sy mijoro amin’ny fahamarinana dia azy ny azy. “Tsy mihetsika akory isika dia efa mangovitra satria mahana amin’ny ataony”,  aleo ny olona hiteny sy hilaza ny zava-misy, hoy i Marc Ravalomanana.

 

Ankoatra izay, miverina ny areti-mandoza satria baranahiny loatra ny zava-nisy teto Madagasikara, isan’izany ny mpanakanto jerosalema tonga tao ny olona rehetra, ny tsy manan-tsiny indray ny voa avy eo, raha ny fanehoan-kevitry ity Filoha teo aloha ity.

Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap