airtel

Politique

30-mars-2021

Politique

Marc Ravalomanana “Mijanona ho tantaran’ny Firenena ny Filoha Ratsiraka”

Sample post image

« Tonga niondrika am-panajàna manoloana ny nofo mangatsiakan’ny Filoha Didier Ratsiraka ny tenako sy ireo mpiara-dia amiko

30-mars-2021

 

 

ato amin'ny RMDM sy ny antoko politika TIM. Ny Filoha Didier Ratsiraka dia mijanona ao anatin'ity tantara an'ity firenentsika ity ho Rain'ny Repoblika faharoa". Amin'ny maha Filoham-pirenena ahy teo aloha ihany koa dia tsapako loatra ny vesatry ny adidy sy ny fitiavan-tanindrazana nipetraka tao anatiny nentiny nikatsahana ny soa ho an'ny firenena. Na tsy mitovy aza ny firehan- kevitra dia ny fitiavana ny Nosintsika Madagasikara no niarahana. Mbola mamerina ny teny fampiononana ho an'ny fianakaviana rehetra sy ny antoko politika Arema ary ny vahoaka Malagasy ny tenako. Hombantsika mandrakariva Andriamanitra », hoy ny Filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana teo anatrehan’ny fahalasan’ny Filoha teo aloha Amiraly Didier Ratsiraka. Ny takarivan’ny alahady teo no tonga naneho fiaraha-miory sy nitondra ny teny fampiononana ho an’ny fianakaviany manontolo. Misy ny hevitra tsy mitovy indraindray, kanefa Raimandreny ny filoha Ratsiraka ary tena namana ka miaramiombon’alahelo aminareo fianakaviana ny tenako, hoy i Marc Ravalomanana izay vonton’alahelo sy latsa-dranomaso.

Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap