airtel

Politique

24-juin-2021

Politique

Marc Ravalomanana Misy mersenera vahiny manara-maso?

Sample post image

Taorian’ny fandefasana zandary hanao andrimaso tetsy amin’ny toeram-ponenan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, dia misy indray ireo teratany vahiny misy Malagasy mitarika voalaza fa nihaodihaody teny Faravohitra.

24-juin-2021

 Fifandrifian-javatra no antom-pisian’izy ireo teny sa antony hafa mety hisy hifandraisana amin’ny politika? Mety ho mersenera ve sanatrian’ny vava? Miteraka ahiahy foana ny toe-javatra tahaka izany. Niainga tany amin’ny hoe asiana zandary manara-maso, arahina any amin’izay rehetra aleha, sakanana eny amin’ny làlam-pirenena,… Fifandrifian-javatra ihany koa ve ny nisiana masoivoho vahiny diplaomaty niray làlana tamin’i Marc Ravalomanana teny amin’ny RN2 ny 9 jona teo anatrehan’ny karazana fanenjehana mivantana na an-kolaka an’ity Filoha teo aloha ity ? Fa rehefa tsy ny fiara 4X4 ve dia misy olona hita mihaodihaody indray eny amin’ny fonenan' ny filohan’ny mpanohitra Marc Ravalomanana?, hoy ny fanontaniana napetraky ny haino aman-jery iray izay akaiky ity filohan’ny RMDM ity, izay sady nampiseho ny sarin’ireto olona heverina ho hafahafa nihaodihaody azo sarin’ny “camera de surveillance” teny Faravohitra ireto. Loharanom-baovao iray no nahafantarana fa tazana nanatrika fivoriana notontosaina olona ambony iray sy mpanao politika iray ary mpandraharaha goavana miisa 2 eto amin’ny firenena tao amina hotely goavana iray eto an-drenivohitra ireto olona hita ho nihaodihaody teny Faravohitra omaly ireto. Ary ny tena maha lasa fisainana ny mpanara-baovao dia ny hoe : moa ve ny fitondram-panjakana no tompon-kevitra amin’ity karazana fanaraha-maso miendrika don-tandroka atao amin’i Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany ity sa olona na vondron’olona hafa ?
Toky R sy J Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap