airtel

Politique

20-juil-2022

Politique

Marc Ravalomanana Mitaky fifampidinihana sy fifidianana madio

Sample post image

Nisy ny fanambarana tampoka nataon’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly takariva, izay niompana bebe kokoa tamin’ny raharaham-pifidianana.

20-juil-2022

Nambarany fa samy efa nanambara ny tsy tsy fahalavorarian’ny lalàm-pifidianana na ny antoko politika, na ny firaisamonim-pirenena, na ny vaomiera manokana misahana ny fifidianana, izay nampiasa ireo lalàna ireo tamina fifidianana miisa 5 nanomboka ny taona 2018. Na ny firaisam-be iraisam-pirenena aza, hoy izy, dia efa nilaza ihany koa fa tokony hahitsy sy hatsaraina ny lalàm-pifidianana eto amintsika mialohan’ny hanatanterahana ny fifidianana. Tsy mahafantatra ny votoatin’ny lalàna mifehy ny fifidianana ny ankamaroan’ny Malagasy, ka tsy afaka manara-maso sy mandray andraikitra manoloana ny tsy fanarahan-dalàna miseho mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Betsaka ihany koa ireo didy fampiharan-dalàna no mbola tsy noraisina. Samy efa nanolotra soso-kevitra ny rehetra ho fanatsarana ny lalàm-pifidianana, sainy tsy misy hatramin’izao finiavana avy amin’ny fitondram-panjakana, hoy izy. Ny lisitry ny mpifidy tsy ahafahana mametraka mangarahara, tsy mbola tanteraka ny fifidianana sefom-pokontany sy ny lefiny, kanefa ireo no tompon’andraikitra voalohany eny amin’ny fokontany, tokony hananan’ny mpifidy fitokisana afaka ny hanentana ny rehetra handray anjara amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Eo ihany koa ny fahasahiranan’ny vahoaka amin’ny fotoana hanatanterahana ny fanisana ny mpifidy isan-tokantrano, ka isan’izany ny fahantrana manjo, tsy fandriampahalemana, haratsian-dàlana, tsy fisian’ny fahatokisana intsony ny mpitondra ankehitriny, tsy fandraisan’izy ireo andraikitra amin’ny fiainany,… ka tsy ahazoana lisi-pifidianana madio misy ny anaran’ny rehetra. Tsy azo antoka ihany koa, hoy izy, ireo rafitra mitantana sy mitsara ny fifidianana satria tsy mahaleo tena na ara-pitantanana, na ara-bola, na ara-pitaovana. Mitanila sy miandany ny mpikambana ao aminy, ary tsy manana fahefana feno eo anatrehan’ny fandikan-dalàna, tsy manana fomba fiasa mangarahara, ary tsy mampandray anjara ny rehetra. Misy ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana niarahana nahitana, ny fampiasana ny volam-panjakana, fahefam-panjakana, fanatsakankanana ny antoko mpanohitra tsy hanatanteraka ny andraikitra apetraky ny lalàna aminy amin’ny fanentanana ara-politika eto amin’ny firenena, araka ny voalazan’ny lalàna fehizoro 2018/008.

RAFITRA MADIO SY FIFAMPIDINIHAN’NY REHETRA
Mba hisian’ny fifidianana madio andraisan’ny rehetra anjara sy eken’ny rehetra, nambaran’i Marc Ravalomanana fa ilaina ny fananan’ny olom-pirenena lisitra madio, ahitana ny lisitr’ireo tokony hifidy, apetraka ho fantatry ny rehetra isam-pokontany. Mila omanina ny lalàm-pifidianana feno mirindra sy azo ampiharina, ary mila fantatry ny Malagasy rehetra. Mila rafitra azo antoka, manana fahefana feno, handraisan’ny rehetra anjara,… hitantana ny fifidianana ao anatin’ny mangarahara. Hatsangana ny komitim-pokontany voafidin’ny fokonolona, havaozina sy hatsaraina ary fenoina ny lalàm-pifidianana, havoaka ireo didim-panjakana fampiharana ireo lalàna, havaozina ny rafitra hitantana ny fifidianana, hazavaina amin’ny vahoaka ny lalàna sy didim-panjakana momba ny fifidianana. Nanitrikitrika i Marc Ravalomanana fa ny fifampidinihan’ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena ihany no hany vahaolana ahazoan’ny rehetra vokatra hampilamina ny tany sy ny Fanjakana.

Nialoha ity fanambarana ity, nisy ny hafatra niparitaka miantso ny olona ho eny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny sabotsy 23 jolay izao. “Mijaly ny vahoaka! Sahia, mijoroa hanavotra ny firenena” moa no teny fanentanana tao anatin’io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap