airtel

Politique

07-juin-2021

Politique

Marc Ravalomanana Tratry ny ramatahora manara-penitra

Sample post image

Avy tany Mangamila afaka kely an’i Talatan’i Volonondry hiverina aty Antananarivo no nosakanan’ny mpitandro Filaminana ny Fiara nitondra ny

07-juin-2021

 

 

 Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nisy “herse” na ireny vy miranirany ireny teo, ary rehefa tena nojerena ny horonantsary dia tsy tena ny fiara nanokatra làlana na “ouvreuse” no tena nosakanana, fa ilay nisy an’i Marc Ravalomanana. Nivoaka daholo ny mpiambina ary niteny hoe ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana io. Nandeha mora ilay fiara mpisava lalana fa ilay fiara V8 taoriana nisy an’i Marc Ravalomanana no nodidin’ny zandary nilanja basy. Ireo fiara nitondra depiote 2 navelan-dry zareo handeha fa izahay no taty amin’ny farany indrindra dia nosakanany ary tena niakatra afo be amin’izay ry zareo, hoy ny mpanao gazety avy amin’ny MBS voasakana ihany koa ny fiaran’ny mpanao gazety. Raikitra ny fifampakana sary ho an’ny mpanao gazety ankilany, ary nanome baiko ny hakana sary ireo mpanao gazety sy izay rehetra tao anatin’ny fiara niaraka tamin’ny taratasin’ny fiara ihany koa ny “chef d poste”. Tonga ny tonian-dahatsoratry ny fahitalavitra MBS izay nandeha fiara manokana, vao afa-niala teo ny fiara.

 NANANA NY NAMBARANY NY ZANDARY

 Ny zandary kosa nilaza tetsy ankilany fa nisy fiara telo, notarihin'ny iray nisava lalana toy ny fiara mitondra marary na mpamonjy voina na mpitandro ny filaminana, kanefa samy mitondra takelaka fiara tsotra daholo ary ny sasany dia “vitres fumés”. Nandeha mafy izy ireo, nandika ny sakana (barrage de contrôles sanitaires et sécuritaires) ataon'ny zandary eo amin’ny sampanana Ambohimanga Rova nandeha nianavaratra. Ny hariva rehefa niverina nitodi-doha ho aty Antananarivo ireo andiana fiara ireo, dia nohamarinin'ny zandary nanao ny asany andavanandro (Police de la route) teo Talatan’i Volonondry. (….). Rehefa vita ny fisavàna, dia navela nandeha ireo. Kanjo rehefa teo amin’ny sampanan'Ambohimanga Rova indray, dia mbola tsy nanaja sy nanaraka ny laharan'ireo fiara nilahatra handalo fisavana ataon'ny zandary ireo fiara ireo, fa nisongona avy hatrany ka niteraka fitohanana sy fimenomenonana avy amin’ny mpampiasa lalana hafa, hoy ny zandary. (…). Mety hitera-doza ny fizirizirina mbola manao fisetrasetrana toy izao satria araka ny didim-panjakana laharana faha 63-253 tamin’ny 09 mey 1963, and. 121, dia afaka mampiasa ny fitaovam-piadiana eo am-pelatanany ny zandary, raha misy olona tsy mety mijanona rehefa ampitandremana mba hijanona kanefa tsy manaiky izany, hoy ny zandary.

 

Tsy vao izao no tratry ny sakantsakana sy fandrangarangana basy i Marc Ravalomanana na eny amin’ny làlam-pirenena na eny an-tranony. Savaina hatramin’ny olona miditra ny tanànany. Tena asany ve no ampanaovina ny zandary sa hetraketraka amina olona manokana? Misy ny lalàna 2013-001 nataon’ny Fanjakana tetezamita mamaritra ny zon’ireo Filoha teo aloha sy Filoham-panjakana. Homena mpiambina maharitra miisa 12 hiantsoroka ny fiambenana azy sy ny ankohonany ary ny toeram-ponenany. Manana zo hanana pasipaoro diplaomatika izy sy ny vadiny. Manana satana diplaomaty izany ny Filoham-pirenena teo aloha, raha raisina amin’io. Ny lalàmpanorenana amin’ny adininy faha-12 ihany koa dia maneho, fa ny olom-pirenena dia manana zo hivezivezy an-kalalahana, saingy ny an-dRavalo na aiza na aiza aleha toa tratry ny ramatahora hatrany. Voahaja ve ny lalàna raha jerena ny zava-misy ?

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap